Politika

Orthodoxe Russe any Ukraine : voahitsaka ny zo sy ny fahalalahana

Notanterahina omaly, teny amin’ny Consulat de la fédération de la Russie teny Ivandry, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny momba ny zava-misy iainan’ny fiangonana Ortho­doxe Russe, ao Ukraine. Nandritra izany ny nanambaran’izy ireo ny fanitsakitsaha ny zo sy ny fahalalahan’ny mpino ao amin’io fiangonana io. Teo ihany koa […]

Fakana bahana amin’ny fifidianana : nifanotofan’ny mpanao politika Ankaramalaza

Sehatra ihazakazahan’ny mpanao mpolitika indray ny famonjena hetsika ara-pivavahana. Rakotra azy ireo ny fanokanana mpiandry tany amin’ny toby Ankaramalaza, tamin’ity herinandro ity. Samy niatrika ny fanokanana mpiandry, natao tany amin’ny toby Ankaramalaza, eo anivon’ny fiangonana FLM ireo mpanao politika, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny kandidà Ravalomanana Marc sy ny filoha […]

Fifidianana filohan’ny Repoblika : tsy mbola afa-mandray anjara ireo diaspora

“Efa samy mahalala isika fa 11 043 836 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana. Tsy miakatra ary tsy mihena io. Izay voasoratra amin’izay no hifidy amin’ny 9 novambra”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni, Ravalitera Jacques Michakël, momba ny fanomanana sy fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Noho izany, tsy mbola afa-mandray anjara […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebireby…”

Nanokatra amin’ny fomba ofisialy ny atrikasam-paritra ho an’ny fametrahana fandriampahalemana, tanterahina any Menabe, ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nisy hafatrafatra nampitainy tamin’izany. “Aoka isika tsy ho voarebireby na hadalain’ ny mpanao politika sy ny fahavalom-pirenena fa hijoro ka hanatanteraka ny asa miandry amin’ny fifidia­nana ny ho filohan’ny Repo­blika, hitondra ho […]

Faha-65 taonan’ny antoko Monima: “Aoka tsy ho sarivongan’ny tombontsoa vahiny”

Namoaka fanambarana, ny 29 jolay teo, ny Monima ary nampahatsiahy ny faha-65 taona nijoroan’ny antoko. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa manana vinam-piarahamonina mifototra amin’i Madaga­sikara otronin’ny Malagasy ny antoko. ”Tsy sarivongan’ny tombontsoa vahiny izahay ary vonona hanova ny hoavy”, hoy ny fanambarana, noso­niavin’ny filoha nasionaly, i Roindefo Monja. Notanisain’ ny Monima amin’izany fa hiarovana ny […]