“Zon’ny mpanohitra ny mitarika olona hidina an-dalambe. Izany ny demokrasia. Mitondra ny heviny amin’izany, mandresy lahatra ny olona amin’izany. Zony izay. Politika no atao. Mbola mila an’izany ve ny vahoaka malagasy? Anjaran’ny vahoaka ny mamaly an’izay” Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, izay efa […]
Politika
Distrika Andramasina : handray toromarika ny Tim
Ho ambohipihaonan’ny mpikatroka eo anivon’ny antoko Tim sy ireo mpomba ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc ny ao amin’ny Tranompokonolona Ambohimiadana, anio. Hivory sy handray ny toromarika izy ireo amin’izao fihaonana izao. Anisan’ny hiatrika izany ny avy amin’ity antoko ity sy ny Komity mpanohana KMMR. Ireo avy amin’ny tanora Tim sy […]
Ceni : “Hanohana amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Sadc”
Anisan’ireo nandray ny eo anivon’ny Sadc ny Ceni. Nisongadina tamin’izany ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana. «Fantatra tamin’ny fihaonana fa vonona ry zareo hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana fifidianana, handefa mpanara-maso amin’izany», hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fihaonan-dry zareo tamin’ny iraky ny Sadc. […]
Depiote Andriamampandry Todisoa : “Fampiakarana ny fahefa-mividy no hatao”
“Fampiakarana ny fahefa-mividin’ny olona no tokony hatao amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fametrahana politika momba ny asa maharitra. Tsy misy izao ny asa. Be dia be ny tsy an’asa. Na miasa aza ny olona, kely sy tsy mahavelona ny karama”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim voafidy tao Antananarivo […]
Fihaonambem-pirenena: maka bahana hampihaona ny mpanao politika ny FFKM
Efa mamaramparana ny fihaonambem-paritra ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao. Eo am-piketrehana ny fifampidinihan’ny mpanao politika izy ireo izao, amin’ilay fihaonambem-pirenena. Mamarana ny fihaonambem-paritra any Maintirano, ny 4 sy 5 aogositra izao, ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray. Samy nahavita izany ireo faritany […]




