“Ny fanalana ny minisitry ny Fitsarana teo aloha no fitakiana voalohany azonay. Tsy nahomby ary tsy vonona hamaha olana izy aminay. Tonga ny minisitra vaovao, mahatsapa izahay fa lasa mijanona ho resaka ny raharaha. Hatramin’izao, tsy misy zavatra tena azo tsapain-tanana antenaina ho azo”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto […]
Politika
Vondrona parlemantera: IRD “Hodinihina ny hanonganana an’ireo depiote nania”
“Mazava ny voalazan’ny fitsipika anaty mifehy ny Antenimierampirenena momba ny vondrona parlemantera. Mbola ambonin’izany ny And. 72 ao amin’ny lalàmpanorenana, raha mivaona amin’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny vondrona politika nahavoafidy ny tena dia azo aongana tsy ho solombavambahoaka intsony. Tsy atao gaboraraka ny fanaovana politika eto Madagasikara.” Io no nambaran’ny filohan’ny vondrona parlemantera […]
Rakotoson Andriamiraho Hoby: “Tsangan-kevitra sy fandaharanasa no tokony hifidianana kandidà”
Mafanafana ny tontolo politika amin’izao? Maneho ny heviny ny mpikamban’ny fikambanana Mandray an-tanana ny hoaviny (Za Ambohimandray), Rakotoson Andriamiraho Hoby: “Marina aloha izay hoe amin’ny lafiny materialy no handrisihana ny olom-pirenena hifidy ny kandidà iray, nefa tsangan-kevitra sy fandaharansa no tokony hifidianana azy..” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo mpanara-maso […]
ANTOKO MMM: « Tsy mbola natao laharam-pahamehana ny asa »
Anjaran’ny eny Atsimondrano indray ! Anisan’ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, teny Anosizato, omaly ny momba ny fetin’ny asa. «Tsy handroso ny firenena raha tsy mbola atao laharam-pahamehana ny asa sy ny fanabeazana, ary ny fahasalamana», hoy izy. Nanteriny fa tsy nisongadina ireo sehatra ireo, ka nampitotongana […]
Fanavaozana lisitry ny mpifidy : fitaovana azo kirakiraina ny rejisitry ny fokontany
“Fitaovana heverin’ny Ceni fa anisan’ireo antontan-kevitra azo kirakiraina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny rejisitra teo aloha eny anivon’ny fokontany.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny namoahan’ny Ceni ny lisitry ny mpifidy amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Ral) nefa […]




