Politika

Fetin’ny fahaleovantena : nampiray fo ny Malagasy !

Tia tanindrazana ny Malagasy ! Tsy nahasakana azy ireo tsy hifety ny resaben’ny mpanao politika. Nizotra tanaty filaminana ny hetsika rehetra manerana ny Nosy. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny foloalindahy malagasy. Nanatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry sy ny […]

26 jona 1960: nangatahina fa tsy niadiana mivantana ny Fahaleovantena

Taorian’ny nananganana Repoblikan’i Madagasikara, tafaverina ny Fahaleovantena ny 26 jona 1960. Na teo aza ny tolona nifandimby hatramin’izay, nanomboka tany amin’ny andron’ny Menalamba, taona 1896: niadiana an-taratasy sy nangatahana ny fiverenan’izay Fahaleovantena izay, fa tsy niadiana mivantana hatramin’ny farany. Tsiahy sy tantara…   Nambara teny Andohalo ny 14 oktobra 1958 ny […]

TGV/Mapar: “Ndao hiatrika fifidianana raha sahy…”

Nivoaka tamin’ny fanginany ireo eo anivon’ny TGV/Mapar, tamin’ny alalan’ireo mpitarika : depiote sy ny olom-boatendry, omaly, tetsy Isoraka. Mazava ny azy ireo.  “Ndao hiatrika fifidianana raha sahy… Tahotra izany ny an’ny sasany mivoy lava io resaka zom-pirenena frantsay io“, hoy izy ireo. Nitarika ny fihaonana ny sekretera nasionaly (SN), Rasoamaromaka […]

Antoko politika miisa sivy: miantso ny hiarovana ny soatoavina repoblikanina

“Miantso ireo Andrimpanjakana, fiangonana, raiamandreny ara-drazana, antoko politika sy fiarahamonim-pirenena ary ny rehetra hijoro sy hiaro ny soatoavina maha Repoblika“, hoy ireo antoko miisa sivy, omaly, ahitana ny HVM, ny MMM, ny MTS, ny MFM… izany. Anton’izany ny fanahian’izy ireo ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna, mitarika tsy fahamarinan-toeran’ny mpitondra. […]

Fotsy, mena, maitso…

Ao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny fiverenan’ny Fahaleovantena izao: miravaka ny tanàna, mirefodrefotra ny tsipoapoaka… Misy apoaka hatrany ny Malagasy? Eny, na eo aza ny fahasahiranana. Fankalazana, seho na hetsika, avokoa izany rehetra izany, fanomezam-boninahitra ny firenena sy ny fiandrianampirenena… Zava-dehibe ny Fahaleovantena izaka-manana ny tena sy ny firenena mbamin’ny hareny. […]