Politika

Antenimierandoholona : nisokatra ny fivoriana ara-potoana voalohany

Tontosa omaly tolak’andro, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Ano­sy, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriambe ara-potoana voalohany. Haharitra 60 andro ny fivoriana, araka ny voatondron’ny Lalàmpanorenana. Ny talata voalohany amin’ny volana mey no hanaovana ny fivoriana ara-potoana voalohany, ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fivoriambe ara-potoana faharoa. […]

Fakana an-keriny : raikitra ny fifampitifirana, olona 11 avotry ny zandary

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo mpaka an-keriny sy ny zandary tao An­kilizato ,omaly. Fiana­ka­viana iray avy ao Amba­lakajaha, anatin’ny fokontany Mavo­gisa, kaominina Anki­lizato no nalain’ny olon-dratsy an-keriny. Tompon’antoka ny jiolahy fito mitam-piadiana mahery vaika. Manoloana izany, nisy ny fisafoana ny tanàna nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana […]

Fitsinjaram-pahefana miabo : efa miroso ny fanjakana

“Tsy miandry ny fahavitan’izay drafi-pirenena izay ny fitondram-panjakana vao nanao ezaka amin’ny fitsinjaram-pahefana. Efa betsaka ny zava-baovao nentin’izao fitondrana izao hanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo. Eo, ohatra, ny fampitomboana ny vola fanampiana ny kaominina sy ny faritra. Eo koa ny fanomezana fitaovana ny faritra 23 amin’ny fanamboaran-dalana…” Io no nambaran’ny minisitry […]

Mahajanga : saika nifandona ny depiote sy ny zandary

Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny ekipan’ny Miha­va Tour. Tany an-drenivohitr’i Boeny izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nafam­pana ny raharaha, na­nomboka teny am-pidirana ny tanàna hatreny amin’ny toerana nifamotoan’izy ireo tamin’ny mpanara-dia. Nisy fotoana efa nifampisintonan’ny depiote Voni­na­hitsy Jean Eugène sy ny mpitandro filaminana iray ny vy maranitra, natao sakan-dalana. […]