Politika

Depiote Ratsimbazafy Alain: “Aleo hirosoana ny fifidianana”

“Tsy adihevitra amin’ny Tim intsony ny hoe hanao fitondrana Tetezamita. Aleo hiroso ny fifidianana. Eo ny vahoaka malagasy hitsara izay olona heverina fa tokony hitantana ny tany sy ny fanjakana”, hoy ny depiote Tim, Antananarivo Atsimondrano, Ratsimbazafy Alain. Tsy mankasitraka ny fisiana fitondrana Tetezamita ry zareo. Hamafisina fa hoe fanjakana […]

Pasitera Andriamahazosoa Ammi Irako: “Adidin’ny fiangonana ny fitiavan-tanindrazana”

Nanafatrafatra ny zanany manana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena ny eo anivon’ny FJKM, tany Ambositra. Nasongadin’ny filohany tamin’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. “Adidy aman’andraikitry ny fiangonana sy ny kristianina izay maneho ny finoany sy ny fiombonany ny fitiavan-tanindrazana, maniraka ny fiangonana sy ny kristianian handray andraikitra […]

Fifidiananana : « Feno fanaratsiana ny fampielezan-kevitra »

Nifarana ny sabotsy, teny amin’ny Ivontoerana Arrupe, Faravohitra ny fanamarihana ny telo andron’ny sosialy, no­karakarain’ny sampam-pa­monjena sosialy sy ekolojika. Andro naompana tamin’ny lohahevitra :” fifidianana, fandriampahalemana sy filaminana eto Madagasikara”. Fampielezan-kevitra feno fanaratsiana, fankahalana, herisetra no zava-misy eto amintsika, raha ny fandinihana nataon’izy ireo sy antony nisafidianana ny lohahevitra. Tokony […]

MMM tany Mahajanga : “Miketrika hijanona eo amin’ny fitondrana ny mpitondra”

Nitohy tany Mahajanga indray ny famelabelaran-kevitra sy fihainoana ny vahoaka tanterahin’ny antoko MMM ny sabotsy. Anisan’ny noresahin’izy ireo ny fiainam-pirenena. “Mitady ny fomba rehetra hifikirana eo amin’ny toerana sy hanalavana ny fahefany ny mpitondra”, hoy ny filoha nasionaly, Andria­nainarivelo Hajo. Nanteriny fa tena nihemotra isika. Miha mahantra, araka ny antontanisa […]