Politika

Filohan’ny Antenimierandoholona: «Fiatrehana fifidianana izao no ezahina»

Nitondra ny heviny koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’izany ny momba ny fifidianana. “Ny fiezahana mia­trika fifidianana amim-pahatoniana izao no atao mba hilamina aloha sy mandritra ary ao­rian’ny fifidianana. Mba hoeken’ny rehetra izay voka-pifidianana eo. Na inona na inona vokatra eo, tokony hoeken’ny rehetra.” Io ny fanehoan-kevitry ny […]

Zokiolona ao Maroantsetra : tsy manaiky hamindrana ny filohan’ny fitsarana

Miely ny feo any Maroan­tsetra fa hafindra toeran-kafa ny filohan’ny mpitsara any an-toerana ary haverina hitantana kosa ny mpitsara tranainy teo aloha. Tsy mahafa-po ny vahoaka any an-toerana anefa ny fomba fiasan’io mpitsara teo aloha, kasain’ny fanjakana haverina io. Nanao fanambarana ho an’ny ministry ny Fitsarana noho izany ireo fikambanan’ […]

Minisiteran’ny Mponina : manohana ny lehilahy handray andraikitra

Mirongatra ny herisetra noho ny olana ara-tsosialy isan-karazany. Anisan’ny mitondra ny anjara birikiny hoenti-miady amin’izany ny minisiteran’ny Mponina amin’ny fanohanana ny raim-pianakaviana. Miditra an-tsehatra amin’ny ady atao amin’ny herisetra vokatry ny olana sosialy isan-karazany ny minisiteran’ny Mponina, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Ankoatra ny fizarana ny vatsin’ankohonana isam-paritra, miditra amin’ ny […]

Fanetsehana ny antoko: miasa sy manamafy fototra ny Tim

Notanterahina teny Talata Volonondry, tamin’ity herinandro ity, ny fivoriana niarahan’ny depiote voafidy eny Avaradrano, Randriambolaina Gerry. Teo koa ireo biraon’ny distrika DisTim sy ireo ben’ny Tanàna ary mpanolotsaina voafidy amin’ity antoko ity. Eo koa ireo mpikatroka eny anivon’ny KomTim, avy amin’ireo kaominina miisa 16 eny an-toerana. Nohamafisina tamin’izany ny fototry […]

Ramamimampionona Gérard : “Tsabahin’ny vahiny ny firenena rehefa misaratsaraka”

“Tsy miteny aho hoe tsy tokony hiara-miaina amin’ny any ivelany. Tsy afa-miolonolona isika, fa tsy maintsy miara-monina amin’ny firenen-kafa. Izay no fanatontoloana. Nefa ao anatin’izay, tokony harahina tsara ny jeo-politika hahazoantsika mametraka ny maha isika antsika.” Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamima­mpi­onona Gérard, manoloana ny toe-draharaham-pirenena hoe tsabahin’ny vahiny amin’izao. […]