Politika

Depiote Milavonjy Philobert : “Tsy mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka ny Tetezamita”

“Voizin’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao ny hoe fitondrana Tetezamita. Ia­raha-mahalala fa tsy mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka malagasy izany. Raha ny tantara teo aloha no jerena, vao mainka mampikororosy fahana ny toekarena sy mampitombo ny fahantran’ny vahoaka ny fisian’izany fitondrana Tetezamita izany.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny tsy […]

Governora Rasoamaromaka : “Resaka seza ny Tetezamita”

Adihevitra tsy mbola vita? Ranolava ny fanehoan-kevitra. “Tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka izany fitondrana Tetezamita izany, fa tombontsoan’ny mpanao politika izay tsy manana olona ary tsy nanampy olona hatramin’izay dia te haka seza indray”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, ny amin’ny fitadiavan’ny […]

Faha-140 taona ny fifandraisana: hanamafy ny fiaraha-miasa i Alemaina

Nanamarika ny tantara eo amin’ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Feno 140 taona, ny 15 mey teo, ny nifandraisan’ny fanjakana malagasy sy ry zareo Alemà. Nomarihina omaly, tetsy Anosy, ny fankalazana izany, notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla. Namba­ran’ny ambasadaoron’i Ale­maina, Michael Hausler fa zava-dehibe ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta, […]

Tetikasa “Anjara”-METFP: hanampy ny tanora tsy manana asa

Hitondra vahaolana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, manoloana ny olan’ny tanora. Anisan’izany ny fandaharanasa « Anjara », hitondra ny traikefany amin’ny fanofanana. Nambaran’ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa (METFP), Rahariniri­na Gabriella fa maro ireo tanora sahirana eo amin’ny fidirana amin’ny tsenan’ny asa na nahavita […]

Filohan’ny Ceni: “Hisy ny fifidianana…”

“Teneninay eto: tsy main­tsy hisy ny fifidianana filo­han’ny Repoblika amin’ity taona ity”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, tany Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Diso ny fitenenana hoe efa tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana teo aloha ny tena, ka tsy mila miditra intsony ao anatin’ny lisitry ny […]