Namelabelatra ny “Fisandratana 2030”, teny Andraharo, ny avy amin’ny HVM sy ireo tanora miara-dia, tamin’ny sabotsy. Nanambara ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny mpanorina ny antoko, Rajaonarimampianina Hery. “Tsy misisika hanao tetezamita izahay. Tsy tongatonga ho azy ny resaka. Lalan-kevitra hikaroham-bahaolana izany noho ny fahantrana sy ny ahiahy amin’ny fifidianana”, hoy […]
Politika
Tetikasa Mionjo: nisitraka fitaovana sy vola ireo kaominina miisa 59
Natao tany Taolagnaro, omaly, ny fihaonan’ny komity nasionaly mpitarika ny tetikasa Mionjo. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Nambarany, miroso izany tetikasa izany ka anisan’izany ny nisitrahan’ireo kaominina miisa 59 fanampiana 12 miliara Ar mahery. Anisan’ny nahazo izany ny any Atsimo Andrefana sy Anosy ary Androy. […]
Moussa Soalihy ; « Ny fifidianana ihany no vahaolana »
“Ny firosoantsika amin’ny fifidianana ihany no vahaolana raha tiantsika ny hampandroso ny firenena”, hoy i Soalihy Moussa, mpamakafaka politika eto Madagasikara, omaly, teny Ampefiloha. Nohamafisin’ity mpandinika ity fa tsy ilaina ny miroso mankany amin’ny fitondrana Tetezamita, satria anisan’ireo nampisy ny krizy izany. Raha ny filazany, misy ny fifidianana eto amintsika […]
Tsiahin’ny tantara : ho etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny “Hetsika 72”
Hametraka fehezam-boninkazo, etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, anio, ny fikambanana “Hetsika 72”. Nambaran’ireo mpitarika, Rasoloarijao Perle sy Rainidina ary koa Andrianaivojaona Fanirison fa efa nahazoana alalana izao hetsika, anio, izao. Notsiahivin’izy ireo amin’izao faha-52 taon’ny “Raharaha 72” izao fa mazava ny foto-kevi-dehibe nijoroana tamin’izany. “Notakina ny fanagasiana ny fampianarana sy […]
Fitakian’ny mpanohitra sasany : mitsipaka ny Tetezamita Ratsiraka Roland
“Malahelo aho mahita antoko politika sy ny sasany manambara fa tsara ny hidirantsika amin’ny Tetezamita”, hoy ny depiote Ratsiraka Roland. Fantatra ny dikan’ny Tetezamita fa fiadiana seza sy fanaovana ampihimba ny toekarena. Vao mainka miato ny fiaraha-miasa amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. “Tsy misy zavatra mahasoa antsika ny Tetezamita”, hoy izy. Tsotra […]




