Tontosa, omaly, tany Fenoarivo Atsinanana, ny kongresim-paritra ho an’ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim) any amin’ny faritra Analanjirofo. Nitondra fanentanana ho an’ny mponina, nihaino sy nitafa tamin’izy ireo no nataon’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ankoatra ny maha kongresim-paritry ny antoko Tim azy. Nanotrona azy tamin’izany ny solombavambahoaka miara-dia aminy. […]
Politika
Anarana miverina amin’ny lisitry ny mpifidy : anjaran’ny olom-pirenena ny manao fitarainana
“Tsy hisy intsony izany no hiteny hoe mbola nahita anarana miverina. Raha mahita izany ny olom-pirenena, anjarany ny miteny eny anivon’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), ary ny CLRE no mampiakatra izany isan’ambaratonga ary ho tonga eny anivon’ny Ceni foibe.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène […]
Fijoroan’ny AFM : tsy hanaiky ho fitaovana politika ireo foko
Nifarana ny herinandro teo, teny Ilafy, ny fihaonamben’ireo raiamandreny eo anivon’ireo foko manerana ny Nosy, natao teny Anosiavaratra. Nivoitra tamin’izany ny fijoroan’ny Antenimieran’ny foko (AFM). Nambaran’ny filoham-boninahitra voafidy tamin’izany ny fehinkevitry ny fihaonana. “Tsy hanaiky hatao fitaovana politika izahay. Hisikim-ponitra hanamafy ny fihavanana, ka hisitrahan’ny tsirairay eny ifotony ny harena […]
Fiatrehana ny fifidianana : nampitandrina ireo mikasa hanakorontana Raholdina
Tsy nitsitsy fitenenana ary hentitra ny depiote etsy amin’ny boriborintany fahadimy, Raholdina Naivo, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Nilatsaka ny fampitandreman’ity olom-boafidy IRD ity. «Aoka isika tsy hanana ahiahy amin’ny hizoran’ny fifidianana. Handraisana fepetra ireo mikasa ny hanakorontana. Tsy azo ekena ny bontolo na ny fikotrehana fanakorontanana», hoy izy, ny […]
ACS: “Tsy fizarana seza ny Tetezamita, raha… “
“Raha ny rivotra mitsoka amin’izao, mankany amin’ny Tetezamita. Eo ny fanapahan-kevitry ny FFKM hanao fihaonambe. Zava-dehibe izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Fikambanan’ny CST sy loholona teo aloha (ACS), ny Dr Andriamaholison Jules, teny Antaninarenina, omaly. Raha tsy maintsy ho tonga amin’ny Tetezamita, tsy hizarana seza izany. Ny governemanta hajoro eo, […]




