Politika

Fidinana ifotony: manentana amin’ny lisi-pifidianana ny Tim

Tonga hatrany ifotony ny toromariky ny mpitantana ny antoko Tim. Miezaka manentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ireo mpikambana eny anivon’ny rantsa-mangaika. Anisan’ny nanao izany hetsika izany ny tanora Tim any Toliary, ny faran’ny herinandro teo. Nanentana ireo tsy mbola voasoratra, hanatona ny biraon’ny fokontany. Ta­haka izany koa ny […]

Fitantanana sy andraikitra: manentana ny hananana fijery miabo manoloana ny sedra i Gestia

Iza izy ? Filoha nasiona­lin’ny Betsi-Groupe, Raholia­risoa Marie Gestia. Manam­bady an’i Zafinandro Laurent Charlin ary manan-janaka lahikely iray. Tia ny sakafo malagasy, toa ny ravitoto, mangahazo sy katsaka. Man­kafy ny dia an-tongotra ary anisan’ny fialamboly tiany ny fiainana anaty fikambanana. Tia ny gadona “Mafana – Rythme tropicale” sy ny zafindraony. […]

Depiote Raheriarijaona Régina : “Tsy mijery firehana ny Fizafafi”

“Ao anatin’ny fikambanana ny tenako, ary anisan’ny nanorina izany hatrany am-boalohany. Toy ny fikambanana rehetra ny Fizafafi, tsy mijery firehana politika na finoana”, hoy ny depiote IRD voafidy tany Farafangana, Raheriarijaona Régina Cla­risse, momba ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampi­renena sady filohan’ny Fiza­fafi, Razanamahasoa Chris­tine, tany Fianarantsoa, ny herinandro teo. Malalaka ho […]

Minisitry ny Serasera tao amin’ny RFI: mampanantena fifidianana mangarahara ny governemanta

Manome antoka amin’ny fangaraharan’ny fanatanterahana fifidianana ny governemanta. Mandeha amin’izany finiavan’ny governemanta amin’ny asa rehetra fanomanana fifidianana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nivahiny tao amin’ny fandaharana “Invité Afrique”, RFI, omaly. Nampitomboana ny vola enti-manomana fifidianana, mitaha amin’ny fifidianana farany, taona 2018. Nampiana […]

Rabary Paul : “Efa tena latsaka lalina ny firenena matoa resahina ny sosialim-bahoaka”

Aiza ho aiza ny hoe sosialim-bahoaka amin’izao zotram-pifidianana izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina izay minisitry ny Fanabezanam-pirenena teo aloha, Rabary Paul: “Efa tena latsaka lalina ny firenena matoa resahina ny sosialim-bahoaka” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny mpanohitra amin’izao zotram-pifidianana izao? Rabary Paul (-): Toy ny eo […]