Politika

Fambolena: tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Ankoatra ny fizarana zezika natao faran’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny fanaovana soniam-piaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina sy ny vondrona samihafa. Isan’ny manosika ny fanjakana hanatratra ny vina napetrany izao natao izao. Nisy ny fanaovana sonia fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fa­m­bolena sy ny fiompina, niaraka tamin’ny JICA. Tanjona […]

Vahoaka miray: “Tsy kilalaon-jaza ity”

“Tsy kilalaon-jaza ny fi­renena. Aza mifamitapitaka. Takatry ny vahoaka izay tianareo holazaina”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, manoloana ny hanovana ny mpikambana eo anivon’ny go­ver­nemanta. “Misy asa mandeha ao anatin’ny valo volana, raha minisitra no soloina. Ireo teknisianina amin’ny minisitra no soloina, raha hoe […]

MFM : “Aoka mba ho governemanta tsy miandany”

“Raha governemanta tsy hanao afa-tsy fifidianana, ka governemanta tsy mitanila sy tsy miandany ary hanatanteraka izay tapaka amin’ ny fikaonandoham-pire­nena: izay no takina.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MFM, Rako­tovazaha Olivier, manoloana ny fanovana na fanamboarana governemanta amin’izao. Eo indrindra koa ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Re­poblika amin’ny 9 novambra […]

Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo : “Fanomezan-kasina ny eny ifotony ny fifidianana”

Nitohy tany Miarinarivo, Itasy indray ny fihaonan’ny birao foiben’ny antoko Malagasy miara-miainga, amin’ireo mpikambana ao aminy. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany fa maika koa ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. “Taratry ny tsy fa­nomezan’ny fanjakana lanja ny eny ifotony ny tsy fanaovana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina amin’ity taona ity. […]