Nanambara ny ho filatsahany hofidina ho ben’ny Tanàna ao Toamasina, ny Me Razafimanana Christian. Nambarany fa maromaro ny antony irotsahan’ny olona iray. Misy ny fitsipika ifampifehezan’ny antoko na fikambanana misy azy ka atolotra sy tohanan’ ireo ny tenany. Manampy izany ny feon’ny fieritreretany fa manana herijika hifaninana ho kandidà noho […]
Politika
Vondrona Afrikanina: hivory any Addis Abeba ny filoha Rajoelina
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaonana an-tampony eo anivon’ny Vondrona Afrikana (UA). Hotanterahina ny 18 sy ny 19 febroary izao any Addis Abeba, Etiopia, izany ary hatrehan’ireo filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ity rafitra iray lehibe aty Afrika ity. […]
Fikarakarana ny fifidianana: mitaky ny fahaleovantenan’ny Ceni kokoa ny Safidy
Manaraka akaiky ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana ny eo anivon’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy). Nitondra tolo-kevitra izy ireo tamin’izany. “Tolo-kevitry ny firaisamonina sivily hatrany ny hoe tokony hatao mafimafy kokoa ny fahaleovantenan’ny Ceni, indrindra eo amin’ny tetibola sy vola”, hoy ny tonia mpanatanteraky ny […]
Ady amin’ny valala ao Ihorombe : tafatsangana ny kaomitim-paritra
Nanomboka omaly avy hatrany ny ady amin’ny andiam-balala nataon’ireo tomponandraiki-panjakana ao Ihorombe. Noho ny fahatsapan’izy ireo ny voka-dratsy ateraky ny fisian’io biby mamotika fambolena io, natsangana ny Komitim-paritra miady amin’ny Valala. Nitarika ny fivoriana « OMC élargie » mahakasika ny valala ny lehiben’ny prefektiora sy ny governora ao Ihorombe, ny talata 7 […]
Fikaroham-bahaolana: nampanantsoin’ny solontenan’ny Pnud maika ny FFKM
Tsy mipetra-potsiny, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa nampanantsoin’ny solontena maharitry ny Pnud, eto amintsika, ireo iraka avy amin’ny birao foiben’ny FFKM, ny alatsinainy teo, teny Andraharo. Tsy nisy nipika ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Na izany aza, voadinika ny fiainam-pirenena ankapobeny, indrindra ny lafiny politika. Anisan’izany ny […]




