Namoaka ny Gazety boky, Demokrasia, isan-telovolona indray ny eo anivon’ny HCDDED, omaly, tetsy Soanierana. Nivoitra tamin’izany ny tolokevitr’izy ireo amin’ny lalàm-pififidianana. “Tokony ho foana ny fifidianana natao raha tsy mihoatra ny 25% ny tahan’ireo mpifidy nandray anjara tamin’izany”, hoy ny filohan’ity rafitra ity, Navony Pierre Lenoble. Nanteriny fa tsy misy […]
Politika
Fitantanana sy andraikitra: mizara ny traikefany, Andriamaharivolamena Zavamanitra
Iza izy ? Andriamiharivolamena Zavamanitra. 39 taona ary zanak’i Fandriana. Anisan’ireo manam-pahaizana manokana momban’ny fiharian-karena sy ny fitantanam-bola. Mampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ary “Administrateur” eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara. Nianatra tany Frantsa, tao amin’ny «Faculté des sciences économiques et de gestion», Oniversite “Aix-Marseille”. Manao Judo ary tepana mainty. Anisan’ny […]
Fitsarana : manambana hitokona ny mpirakidraharaha
“Ho mafimafy noho ny teo ny tolona hataonay amin’ity. Tsy ho voafehin’ny rindrina efatra izahay fa hivoaka amin’izay”, hoy ny filoha lefitry ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), ny Me Jean Claude, teny Anosy, afakomaly, momba ny fivoriambe hataon-dry zareo eto Antananarivo amin’ny 24 febroary ho avy izao. Ho eny […]
Fahamarinan’ny lisi-pifidianana : “Ny fanaovana fanaraha-maso no antoka”, hoy ny Ceni
“Tsy mihambahamba izahay eto amin’ny Ceni miantso ny rehetra hanao fanaraha-maso ny lisitry ny mpifidy. Izay ihany no antoka azo ifotorana amin’ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny fangaraharana”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny filazan’ny antoko politika sasany fa tsy mangarahara ny fanavaozana ny lisitry […]
Randriamalala Robert Charly: “Mila miara-mientana hahatongavana amin’ny fifidianana ny rehetra”
An-dalana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny Ceni amin’izao fotoana izao. Aiza ho aiza? Maneho ny heviny ny filohan’ny Cellule de moralisation de la vie publique – Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid), Randriamalala Robert Charly: “Mila miara-mientana mba hahatongavana amin’ny fifidianana ny rehetra mba tsy hifanomezan-tsiny rehefa avy eo.” […]




