Politika

Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana: niaiky ny tsy nahatrarana ny tanjona ny Ceni

Nisedra olana maro. Tsy mbola tratra araka ny namaritana azy ny ezaky ny Ceni, amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nifarana, omaly ny fe-potoana nitetezana tokantrano, nanisana ny mpifidy. Maherin’ny 9 tapitrisa hatreto ireo mpifidy voaisan’ny Ceni, tao anatin’ny efa-bolana nanatanterahana izany, raha nanomboka ny volana oktobra teo izany. Tsy tratra […]

Mampikony : nahazo fanampiana ireo traboina

Maherin’ny 4 000 ireo traboina vokatry ny fandalovan’ ny andro ratsy Cheneso tao Mampikony. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy tao an-toerana, nisolo tena ny fitondram-panjakana, ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nomena ireo traboina tamin’izany ny vary, voamaina, “seau”, lovia, sotro, […]

Fomba fiasa : voakiana mafy ny Ceni

“Toy ny manao fanahy iniana, angamba, ny Ceni. Tsy mety ny fomba anaovana ny fanisana mpifidy. Nilaza ny Ceni fa mankany amin’ny fokontany. Nefa tsy izay amiko no tokony hanaovana fanisana mpifidy. Tsy vita mandra-pahatonga ny 31 janoary izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy […]

Fanatsarana ny taham-pamokarana: tantsaha sy teknisianina miisa 30 hiofana any Zimbabwe

Mifandray amin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Nandray ireo tan­tsaha, teknisianina sy injenera ary mpampiofana miisa 30 mianadahy hihazo atsy Zim­ba­boe ny filoha Rajoelina Andry, ny alahady teo. Hiofana manokana mo­mba ny fambolena miaraka amin’ny “Foundation for farming” izy ireo izao notsofina rano teny amin’ny Lapan’ Iavoloha izao. Mifanindran-dalana amin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana mba […]

Fanentanana ny mpifidy: midina ifotony ireo tanora Tim

Midina ifotony, mitety tanàna sy isam-baravarana ireo tanora Tim. Manentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, izy ireo, amin’izany ary mampirisika koa ny hanarahana maso izany. Eo koa ny fanamarinana ny anaran’ireo mpifidy anaty lisitra. Niain­ga avy amin’ny toromariky ny birao politika izany hetsika fidinana ifotony ataon’ireo tanora Tim sy […]