Politika

Rahantasoa Florence: “Tsy asan’ny firaisamonina sivily ny fanaovana politika”

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitady hifangaro be ihany ny asan’ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika sasany. Aiza ho aiza? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily mpisehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny mpandrindra nasionalin’ny fikambanana Andrimaso, Rahantasoa Florence: “Fanabeazana sy fanentanana ary fanaraha-maso ho an’izay misehatra amin’ny fifidianana, […]

Zakahely Boniface momba ny fifidianana : “Tsy azo eritreretina hoe tsy misy vola ny fanjakana”

“Tsy azo heverina ny hoe tsy hisy vola hanatanterahana fifidianana ny fanjakana”, hoy ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface. Tamin’ny fitondrana tany aloha, volan’ ny fanjakana no nanatanterahana fifidianana ary tsy naka vola tany ivelany. Amin’ny ankapobeny, tsy afa-miala ny fitondram-panjakana raha manaraka ny lalàmpanorenana. Tokony hisy fifidianana roa […]

Tale kabinetran’ny Prezidansa : hametraka fomba fiasa vaovao

Nandray ny asany omaly, taorian’ny famindram-pitan­tanana ny talen’ny kabinetra vaovao eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Andrianarisoa Romy. Nambarany tamin’izany fa anisan’ny laharam-pahamehany ny hametraka fomba fiasa vaovao hamitana ny ve­lirano rehetra. “Hiara-kiasa amin’ ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny governemanta izahay hanatanterahana ireo”, hoy izy. Hiompana amin’ny angovo, ny fahavitan-tena eo […]

Fisorohana ny ahiahy amin’ny fifidianana : hotsirihin’ny OIF mialoha ny rindrambaikon’ny Ceni

Hanala ny ahiahin’ny maro ? Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly, teny Ambohimana­rina fa handalo fitsirihana na « audit » ny rindrambaiko sy ny fikirakirana ara-kajimi­rindra entin’izy ireo mikira­kira ny fifidianana. Hisahana izany ny eo anivon’ny Fran­kofonia (OIF) ka hanomboka amin’ny herinandro ny fitsirihana. “Hampahafantarina ny rehetra ny ho […]

Antenimierandoholona : fitsidihan’ny solontenan’ny UA

Handao tsy ho ela an’i Ma­dagasikara ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto amintsika, Rtoa Hawa Ahmed Yousouf. Nitsidika ho fanaovam-beloma ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, izy, omaly, tetsy amin’ny Lapa Anosy. Nisaorany ny fiaraha-miasa eo amin’ny UA sy ny Antenimierandoholona. Tsa­pany ny ezaka nataon’ity an­drimpanjakana ity, eto an-toerana sy […]