“Tsy mendrika ny firenena sy ny vahoaka izao zava-misy izao. Anjaran’ny mpitondra ny mamelona ny vahoaka ao aminy. Manana tany manan-karena isika kanefa mahantra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, tetsy Antsahamanitra, omaly. Nanamarika ny tsingerin-taona faha-74 ity antoko naorin’ny amiraly Ratsiraka ity. Notsiahiviny fa efa tamin’ ny fotoan’ny […]
Politika
Fikaroham-bahaolana: nikaondoha ny etamazaoro politika mpanohitra
Nihaona, tsy azo natrehin’ny mpanao gazety teny Ambohimanambola ny etamazaoro politika maromaro, ny zoma teo. Tsy nisy nipika ny dinika, izay naharitra ora efatra. Fikaroham-bahaolana isorohana korontana! Nanatanteraka fikaonandoha ny mpanohitra ny zoma lasa teo, teny Ambohimanambola. Nisongadina ny handraisan’izy ireo andraikitra noho ny fahitana fa misedra olana ny vahoaka […]
Fanohanana ny filoha Rajoelina : hisy hetsika eny amin’ny Coliseum ny 22 avrily
“Iray ihany isika manohana ny filoha Rajoelina: mila fifandeferana, fifanampiana, indrindra ny fifankatiavana. Hasehontsika izany, tsy misy haharesy isika”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Andoharanofotsy, afakomaly, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Noho izany, nangataka tamin’ny filoha izy ny hanaovana hetsika eny amin’ny Coliseum, Antsonjombe, amin’ny 22 […]
Antoko Freedom : “Miantso ny filohan’ny Repoblika hirotsa-kofidina”
“Izahay no anisan’ny antoko politika voalohany niantso ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, hiverina hirotsa-kofidina indray amin’ny fe-potoam-piasana faharoa”, hoy ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana Andriatongarivo amin’ny maha filoha nasionalin’ny antoko Freedom azy. Tsy mbola namaly ny amin’izany ny filohan’ny Repoblika. Na izany aza, mijanona amin’izay faharesen-dahatra izay ny antoko: hanohana azy […]
Fanomanana ny fifidianana: hiatrika ny fihaonambe iarahana amin’ny Ceni ny FFKM
Hiditra an-tsehatra amin’izay… Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny FFKM, taorian’ny fihaonana maromaro, nataon’izy ireo tamin’ny tomponandraikitra samihafa avy eto an-toerana sy avy any ivelany, omaly, tetsy Ampandrana. Nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi tamin’izany fa afaka mandinika ny fiainam-pirenena izy ireo. Naneho ny fankasitrahany, araka ny antson’ny Ceni […]




