Politika

Fikambanan’ny ben’ny Tanàna, faritra Atsinanana : mangataka ny mbola hirotsahan’ ny filoha Rajoelina hofidina

Nanao tohivakana ny fanambarana. Anisan’ny naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra ny hiatrehana ny fifidianana ny any amin’ny faritra Atsinanana. Niray feo izy ireo amin’izany. “Nifanome toromarika sy nanapa-kevitra ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna ao anatin’ny faritra Atsinanana, faritany Toamasina, fa mangataka ny mbola hirotsa­han’ny filohan’ny Repoblika hofidina indray amin’ny […]

Depiote Raholdina Naivo : “Leran’ny fifidianana izao”

“Ny leran’ny fifidianana no lera tonga amin’izao. Tsy misy fifidianana mihemotra eto. Ho tapitra amin’ny 31 janoary izao ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Efa ny fifidianana no banjinina”, hoy ny depiote voafidy tao Antananarivo V, tamin’ny anaran’ny IRD, Raholdina Naivo, manoloana ny fijoroana sy fitakian’ny vovonana Lera tamin’ny […]

Senatera Etienne Blanc: “Ahina ny tsy fitoniana”

Manaraka akaiky ! Na­neho ny heviny sy nanaitra, manoloana ny raharaham-pirenena eto amintsika ny minisitra Frantsay misahana an’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, ny senatera Repobli­kanina Étienne Blanc. Hen­titra ny nambarany tamin’ny taratasy, nataony ny 26 ja­noary teo. “Miha mampanahy hatrany ny fitoniana politika any Madagasikara, taorian’ ny fiampangana sy nampidirana […]

Hajo Andrianainarivelo: “Aoka ho sahy hijoro ka hiteny ny tsy mety”

Namboly hazo teny Alakamisy, Ambohidratrimo ny antoko Malagasy miara-miainga, ny asabotsy teo. Lahatenin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo ny resaka politika sy ny raharaha anatin’ny antoko. Nanentanana ny tsirairay mba hanaraka hatrany ny fizotry ny raharaham-pirenena, ny filohann’y antoko MMM. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fa­nomanana ny fifidianana. “Aoka isika ho sahy […]