Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny solombavambahoaka Tim, Ralambomanana Feno, voafidy tetsy amin’ny boriborintany III. “Mila mahazaka tsikera sy mandray lesona amin’ny zavatra tsy mety ataony ny mpitondra fanjakana amin’ izao fotoana izao. Aoka tsy mandany andro sy variana manohitra ny mpanohitra fa lasa mivarina an-kady ny firenena”, hoy […]
Politika
PDCM – Rapetera Désiré : “Ilaina apetraka ny fahamarinana”
Tsy handroso isika raha tsy eo ny fihavanana sy ny fahamarinana, araka ny fehin-kevitry ny antoko Politika demokraty kristianina (PDCM). “Entanina ny vahoaka hanaja ny fitsipika sy ny Lalàmpanorenana”, hoy ny filohany, Rapetera Désiré teny Antsahalovana, ny asabotsy teo. “Mba hisorohana ny korontana, ndao hihavana sy hifampiresaka alohan’ny fifidianana”, hoy […]
Rajaonarimampianina Hery : “Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ny vahoaka”
“Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ary eken’ny rehetra ny vahoaka malagasy mba hialana amin’ny hala-bato sy ny hosoka. Satria aoka hazava fa raha vao fifidianana tsy madio no misy eo amin’ny firenena, korontana no hisy aorian’izay”. Izay no anisan’ny kabarin’ny filoha teo aloha, filoha mpanorina ny antoko HVM, Rajaonarimampianina […]
Tatitry ny Ceni: 65% ny mpifidy voasoratra anarana
“Ny antontanisa farany azo avy any amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika: ny mpifidy voasoratra anarana hatramin’izao 8 894 578 na 65,91%”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Amin’izao herinandro farany izao, manao ezaka manokana amin’ny fampiakarana ny vokatry ny fanisana mpifidy avy eny amin’ ny rantsa-mangaikan’ny […]
Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo: “Omena fahefana hampiasa vola ny eny ifotony”
Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo tany Atsimo Atsinanana sy Vatovavy, ny herinandro teo ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Fanalahidy ho an’ny fanovana izany, araka ny nambarany. Nanteriny fa miteraka fampandrosoana maharitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mila politika sahisahy ny fitantanana ny firenena ary ilaina […]




