Politika

Fitantanana Andrimpanjakana : tsy mihevitra ho filohan’ny «Sénat» Ratsirahonana

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao ny antoko Avi, teny Ivato, omaly. Niatrika izany na efa nisotro ronono aza, ny mpanorina, Ratsiraho­nana Norbert Lala. Nitondra valin-kafatra manoloana ny resabe ny tenany. “Tsy ho filohan’ny Antenimierandoholona izany aho ary tsy mieritreritra ny hanao na inona na inona in­tsony. Tsy hanaiky hotendrena na […]

KMF/Cnoe : “Tsy fotoana fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena izao”

Namoaka fanambarana indray ny eo anivon’ny KMF/ Cnoe, omaly. “Tsy fotoan’ny fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena samirery izao. Aoka samy hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka hanalavitra ny hevitra mety hiteraka korontana, tsy hahasoa ny firenena. Fotoana izao ilana ny fahaiza-manao sy ny fifanakalozan-kevitra”, hoy ny KMF/Cnoe. Notsiahivin’izy ireo fa […]

Faritra Bongolava: haongan’ny olom-boafidy ny governora

Raikitra ny hetsika fitakiana ny hanesorana ny governoran’ny faritra Bongolava. Nidina an-dalambe ireo vahoaka sy ireo tompon’andraikitra mpitantana sasany, nanohana izany. “Feno ny kapoaka, satria tsy misy asa fampandrosoana ny eo anivon’ny faritra Bongo­lava. Manoloana izany, mi­vondrona mampiseho hevitra ny rehetra. Fanehoan-kevitra no natao androany hanairana ny fanjakana foibe ho […]

Fikambanana IFI : manohana ny filatsahan’ ny filoha Rajoelina

Nanambara ny fikambanana IFI fa manohana hatrany ny filoham-pirenena Rajoeli­na Andry raha naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety teny Tsiadana, omaly. Tsy miova amin’ny foto-kevitra nijoroany hatrizay izy ireo fa manohana sy manome tanana hatrany ny fitondram-panjakana, ankehitriny. «Hano­me hery sy ny fahaizana rehetra ho fiaraha-miasa amin’ny fitondrana izahay”, hoy […]