Politika

Otrikafo : “Ilaina ny fifampiresahana alohan’ny fifidianana”

“Raha izao zava-misy izao no ikirizan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika mieritreritra hiroso amin’ny fifidianana, manahy izahay hoe: ianareo indray izany no hampiditra krizy vaovao, raha tsy hialohavana fifampiresahana ny fifidianana?”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. ”Azo antoka fa tsy maintsy hanao ny fomba hahalany azy hitondrany […]

Boriborintany II : nanentana ny mpifidy ny Ifi

Nidina ifotony ni­haino ny hetahetam-bahoaka tetsy amin’ny boriborintany II ny eo anivon’ny Ifi, ny asabotsy teo, tetsy Anta­ni­mena. Teo koa ny fanentanana ny mpifidy hijery ny anarany anaty lisi-pifidianana. Nitarika izany teny an-toerana ny filoha mpitarika, ny loholona Ramanambitana Richard sy i Ndremi­tsara Tarzan. Namba­ran’izy ireo fa zo sy adidy […]

Ceni: “Tsy ahina na atahorana ny tsy hisian’ny fifidianana”

“Hatramin’izao, tsy misy ny mety hoe ahiahy na tahotra ny tsy hisian’ny fifidianana. Ny tsara marihina: eo ihany ny vola, tsy hoe maivana. Ny fahaizantsika Malagasy ma­metraka ny rafitra isan-tsehatra miantoka ny fampahombiazan’ny fifidianana sy ny fandaminana takin’ny fanatanterahana izany fifidianana izany no zava-dehibe.” Izay no valintenin’ny mpampakateny eo anivon’ny […]

V3F sy ny AJR : hanohana ny filoha Rajoelina

Manao tohivakana. Na­nambara ny fijoroany tetsy Ankorondrano ny asabotsy teo ny fikambanana sy antoko politika mitovy fomba fijery amin’ny fampandrosoana ny firenena. Mitambatra eo anivon’ny Vovonan’ny vondron’ ny mpitolona ho an’ny fampandrosoana (V3F) sy ny AJR Mada izy ireo. “Ilaina ny mampivondrona ny hery, indrindra amin’izao taom-pifidianana izao ka antony […]

Hentitra ny hafatry ny FFKM : “Aoka hahay hihaino toriteny fa tsy ho mora tezitra…”

Nahitsy sy hentitra tanteraka ny hafatra. Notanterahina tetsy amin’ny fiangonana Anglikanina, Ambohimanoro, omaly, ny herinandro fiaraha-mivavaka, notarihin’ny FFKM. Nitodika manokana amin’ny mpitondra sy ireo mpanara-dia azy ny ankamaroan’ny hafatra tamin’izany. “Aoka samy ho dodona hihaino fa tsy maika hiteny na halaky tezitra… Mitaona an­tsika hifikitra hatrany amin’ny Tompo”, hoy izy […]