Nitondra ny heviny, manoloana ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ny Otrikafo. Maromaro ireo hametrahan’izy ireo ahiahy manoloana izany. “Manao ahoana ny rivotra politika amin’izao mialoha ny fifidianana izao?Raha ny amin’izao aloha, manjaka ny tsy fifampitokisana, indrindra eo amin’ireo rafitra mikarakara fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, […]
Politika
Filoha Rajoelina Andry Nirina: « Tsy avelantsika ho tapaka sy hisy sakana ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara”
Herintaona mahery mialoha ny fahataperan’ny fotoam-piasany, mitohy ny fanatanterahan’ny Filoham-pirenena sy ny fitondrana izay tarihiny ny velirano. Any amin’ny faritra Fitovinany izy nitokana fotodrafitrasa sy vatofototra maromaro, nanomboka omaly. Nanomboka omaly, hitohy anio ny fitsidihana ataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry ny any amin’ny renivohitry ny faritra Fitovinany, ao Manakara. Anton-diany ny […]
Antoko Vahoaka miray: “Ampifandanjana ny fahazoana mamory olona”
“Mihetsiketsika avokoa ny antoko politika rehetra, indrindra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Adidin’ny antoko politika ny mitaiza ny olom-pirenena. Voalazan’ny lalàna izany ka afa-mamory olona”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana. Nefa fanararaotam-pahefana ny fahitany ny ataon’ny mpitondra. Fitaovam-panjakana no entina mandehandeha: fiara takelaka mena. Iza […]
Depiote Randrianasolo Nicolas: “Tokony hakarina ny tetibolan’ny zandary”
“Tokony hakarina ny tetibolan’ny zandarimaria”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Randrianasolo Jean-Nicolas, manoloana ny fahalanian’ny Antenimierampirenena tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023. Nisy fampanantenana na fanomezana antoka 10 miliara Ar ny volan’ny zandarimaria, taona 2021, nefa tsy azo. Nefa ny tafika sy ny […]
Justice et Paix : mitaky ny fampiharana lalàna
“Iangaviana ny mpanao politika mba samy haneho ny tena fitiavan-tanindrazana, fa tsy hitady tombontsoa manokana na harena na seza na voninahitra”, hoy ny fehinkevitry ny fivorian’ny vaomieran’ny eveka, Justice et Paix eo anivon’ny Ekar, teny Antanimena, ny herinandro teo. Fanasoavam-bahoaka tsy ankanavaka anatin’ny fanarahan-dalàna sy fampiharana ny fahamarinana ny politika […]




