Politika

FANTINA sy FINTINA

Notebahin’i Rinah Rakotomanga ny avy amin’ny mpanohitra, araka ny fanehoan-keviny, omaly. Nambarany fa tsy misy miabo na iray aza ny fanoherana eto. Nohitsiny fa mibahana ny fanompana sy firesaka tsy mitondra mankaiza tsy mampandroso. “Tsy misy mpanohitra mahazo sitraka eo amin’ny vahoaka… Mila mianatra manohitra izy ireo”, hoy izy. Nahazo […]

JENERAly Ravalomanana RICHARD : Tsy manana olana amin’ny mpitondra

Nitondra fanazavana ma­noloana ireo resabe momba azy ny filohan’ny Antenimie­randoholona, ny Jly Rava­lomanana Richard, omaly, tetsy Anosy. Hentitra ny nambarany fa tsy misy ny olana eo aminy sy ireo loholona na koa amin’ny mpitondra fanjakana. “Tsaho iniana aely izany ary fampiadiana tsotra izao”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa natao avokoa […]

Fiaraha-miasa amin’ny MFFT: Manampy amin’ny fanajariana an’Antananarivo ny Jica

Hifarana afaka andro vitsy ny fe-potoam-piasan’ny solontena maharitry ny Jica, Tanaka Kaori, eto Madagasikara. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny tenany, omaly. Nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny roa ton­ta, tetsy Anosy, ny nanaovana tombana teo amin’ny fiaraha-miasa Japoney Jica sy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny MFFT […]

Hiavaka ny fankalazana ny 26 jona: hametrahana tsangambato lehibe eo Analakely

« Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana », io no tara-kevitra voafidy entina hankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny Foloalindahy Malagasy. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy oma­ly, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, niaraka tamin’ny sary famantarana izany. Nitarika ny fampahafantarana ny minisitry ny Foloalin­dahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka […]

Fanatanterahana ny toromariky ny filoha: hampitombo ny hafainganam-pandehany ny fitsarana

Notanterahina tetsy amin’ny Fitsarana ambony Anosy ny fananganan-tsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsa­rana. Nitarika izany ny minisitra Rakotomandimby Ben­jamin Alexis. Nambarany tamin’izany ary nanafarany ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny minisitera fa mampitombo ny hafainganam-pandeha ny fitondram-panjakana amin’ny ezaka fampandrosoana. “Manana anjara biriky lehibe amin’izany ny fitsarana amin’ny ankapobeny, amin’ny ala­lan’ny fametrahana […]