Politika

Savorovoro teto an-drenivohitra : Enina naratra, roa voasambotra

Nirefotra ny grenady mandatsa-dranomaso sy mankarenin-tsofina, omaly, teny Ambohidahy. Nisy ny naratra sy voasambotra. Nifandramatra koa ny samy sivily. Niafara tamin’ny fanapoahana grenady mandatsa-dranomaso sy fi­fa­nenjehana ny hetsika nataon’ ny Vondron’ny kandidà 11, omaly. “Tafiditra tao anatin’ny fidinana an-dalambe nampiasa fitaovam-piadiana ny he­tsika nataon’ireo kandidà 11 omaly satria nahitana olona […]

Antoko Fiombonana: “Mandringa ny demokrasia fa ampanginina amin’ny basy…”

Tsy niandry ela fa nanao fanambarana avy hatrany ny antoko Fiombonana, manoloana ny tranga niseho, omaly teto an-drenivohitra. “Tena mandringa ny demokrasia satria basy aman-tafondro no ampanginana ireo te haneho hevitra an-kalalahana. Mihatra amin’ny mpanohitra ny ratra sy fisamborana ary fahasimbam-pananana miaraka amin’ ny antsojay”, hoy izy ireo. Nanterin’ny fanambarana […]

Governora faritra Analamanga : “Efa leo ny olona ka tsy hanao sorona ny fiainany intsony”

Anisan’ireo naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaha politika ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Nambarany fa noforonina ireny savorovoro ireny… “Efa leo ny olona, tsy te hanao sorona ny fiainany intsony amin’ny fanakorontanana”, hoy ny governoran’ny faritra Ana­lamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, om­aly, manoloana ny hetsiky ny vondrona kandidà nitarika […]

Firenena mikambana : “Zava-dehibe ny fifidianana eken’ny rehetra”

Namoaka ny tatitra amin’ny diany teto amintsika ny iraka manokan’ny Firenena mikambana (ONU), ny faran’ny herinandro teo. Maromaro ireo teboka notsindrin’izy ireo manokana. Notsiahivin’ny fanambarana fa anton-dian’ireto delegasiona notarihin’i Parfait Onanga-Anyanga, eo anivon’ny ONU, ireto ny fanaraha-maso ny fizotry ny fikarakarana ny fifidianana, hatao ny 9 novambra izao. Nihao­nan’izy ireo […]

Vondron’ny kandidà sy ireo depiote: “Aoka ho sahy sy hijoro hiaro ny marina isika”

Nanao fanambarana ny vondron’ireo kandidà, notronin’ireo depiote sy loholona ary olom-boafidy, halina. Namba­ran’izy ireo fa efa nisy ny antso sy famakiana bantsilana manoloana ny fandikan-dalàna sy fanitsakitsa­hana ny La­làmpanorenana. Anisan’iza­ny ny fitanilana eo amin’ny fampiharana ny lalàna. Ny antso avo tamin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC ny tsy tokony hanekena ny […]