Mandalo fotoan-tsarotra ny fihariana ara-barotra amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo miaina fahasarotana ny mpivarotra voankazo. Nilaza izy ireo fa nahitana fiakarana ny vidin’ny entana nefa ratsy ny vokatra amidy. Miaina vanim-potoana manahirana ny mpivarotra voankazo amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo nanaovana fanadihadiana mahakasika izany Raharimalala Josephine, mpivarotra voankazo iray eny Andoharanofotsy, omaly. […]
Songadina
Fambolena sy fiompiana: Misy fiantraikany lehibe ny fiovaovan’ny toetr’andro
Misy fiantraikany eo amin’ny fambolena sy fiompiana ataon’ny tantsaha ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mampihena ny vokatra miakatra amin’ny ankapobeny izany, raha ny fanadihadiana natao tamin’ ireo tantsaha. Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny Malagasy. Misedra olana amin’ny sehatry ny asa anefa ny tantsaha, raha nanaovana fanadihadiana. Anisan’ny olana eo amin’izy ireo ny […]
Asa fivarotana eny Analakely : « Tsy misy fitadiavam-bola mora fa atao am-pitiavana aloha ny asa », hoy i Mamy
Maro dia maro tokoa ireo mpivarotra lamba sy kiraro ary bakiraro sy silipo eny Analakely, amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo nanaovana fanadihadiana tamin’izany Rakotobeherinirina Mamy, mpivarotra silipon-dehilahy sy bakiraro eny an-toerana. Ny resaka tsena no mibahana ao an-tsaina raha vao miresaka ny eny Analakely. Nilaza Rakotobeherinirina Mamy, mpivarotra silipon-dehilahy sy bakiraro […]
Tsingerin-taonan’ny AJT: Nosokafana tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo
Feno 17 taona ankehitriny ny nijoroan’ny fikambanan’ny mpanao gazety any Toamasina (AJT). Notanterahina tany an-toerana ny hetsika fankalazana, ny sabotsy 26 avrily lasa teo. Nanamarihana izany ny fambolen-kazo ary ny fizarana tolotra ho an’ny mpanao gazety sy ho an’ny tokantrano marefo. Heni-kaja sy voninahitra ny hetsiky ny mpanao gazety ao […]
Fandehanana any Allemagne: « Mila finiavana sy faharetana», hoy i Noeline Erica
Maro dia maro tokoa ireo Malagasy tanora lasa manohy ny fianarany sy ny fiainany any ivelany. Anisan’ireo firenena matetika handehanan’ireo tanora ankehitriny, ny any Allemagne. Milaza ny fiainany any an-toerana any, i Noeline Erica. Gazety Taratra (*): Afaka milaza ny momba anao ve, inona no naharisika anao ho any Allemagne? […]