Songadina

“Raharaha Razaivola Raïssa” : mila porofo ny fisiana kolikoly

“Tena mamoafady ny kolikoly, ka tokony ho voaporofo mazava hoe: nisy tokoa ve izany? Raha misy tokoa izany, tsy tokony ho azo leferina. Tsy amin’ny “Raharaha Razai­vola Raïssa” ihany, fa amin’ny raharaham-pitsarana re­he­tra”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Ran­dria­manantenasoa Landy Mbo­latiana, tany Fianaran­tsoa, ny herinandro teo. Marina fa nilaza […]

Avy nandona taxi… : Iray maty, fito naratra nofaohin’ny fiara 4×4

Olona iray no fantatra fa maty tsy tra-drano raha fito hafa kosa naratra mafy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao Andramiarana, kaominina Ambohibao Antehiroka, omaly tolakandro… Maty tsy tra-drano ny skoto iray nandeha an-tongotra, nofaohin’ny fiara 4×4 iray teny La Réunion kely, lalam-baovao Andramiarana ,fokontany Mo­rondava, kaominina Am­bohibao Antehiroka, omaly […]

Raharaha Raissa : manaratsy endrika ny tontolon’ny fitsarana malagasy

Anisan’ny raharaham-pitsarana mahoraka amin’izao fotoana izao ny « raharaha Raissa ». Nomelohin’ny fitsarana 7 taona an-tranomaizina, manao asa an-terivozona ity renim-pianakaviana ity, rehefa voampanga ho nikasa ha­mono olona. Etsy ankilan’izay, miampanga ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpitsara ambony ho mpanao kolikoly, naka ny volabeny izy. Mifamotika eo ny […]

Moto tsy misy jiro nifandona: olona iray maty, roa naratra mafy

Nampihoron-koditra! Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpitondra moto nifandona tao anaty haizina teny Ambodimanga Analamahitsy, ny alakamisy alina teo. Maratra mafy kosa ny roa lahy tamin’ilay moto faharoa… Maty tsy tra-drano tao anaty haizina ny mpitondra iray vokatry ny fifandonan’ny moto roa teny Ambodimanga Anala­mahitsy, ny alakamisy alina teo. […]

Nikasa hanao fanafihana… : jiolahy telo indray rotiky ny balan’ny zandary

Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Ambohimandry, distrikan’ Arivonimamo, afakomaly, ireo andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana tao an-toerana. Niainga avy ao Imerin­tsiatosika dia efa fantatry ny zandary ny fanafihana nokasain’izy ireo hatao. Name­traka ny vela-pandrika sy nanao fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimandry sy Miantsoarivo, notarihin’ny chef […]