Zava-doza no miseho eo anivon’ny zandarimariam-pirenena! Tsy voahaja intsony ny fiarovana ny tsiambaratelo. Nijabaka hatramin’ny sekreteram-panjakana, ny Jly Gellé Serge! Tandrevaka sa fanahy iniana? Nisy namoaka tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” ny horonampeo nifampiresahan’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Serge Gellé. Horonampeo mirakitra […]
Songadina
Herinandro masina : mitaona ny tsirairay handini-tena ny FFKM
“Mankalaza ny herinandro masina isika. Koa mitaona ny tsirairay handini-tena, hanaiky hiala amin’ny ratsy fanao, hibebaka.” Io ny hafatry ny FFKM, nentin’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, amin’izao herinandro masina mialoha ny Paska izao. Mba handraisan’ny rehetra ny fanavaozan’ny Fanahy Masina izany. I Jesoa velona nandresy ny fahafatesana ankalazaina […]
« Gool Den Team »: fikambanan-jatovo mpametaveta tovovavy virijiny
Ankoatra ilay FLM, miforona ao Toamasina ny fikambanan-jatovo maditra “Gool Den Team”. Tsy vitan’ny manao herisetra fa manao fifanarahana miafina ny mpikambana. Raha ny angom-baovao voaray, tovolahy telo tarihin’i Ti Teuf sy Cledos ary Gino ity no mitarika ity fikambanana miafina ity. Samy mampiasa anaram-bositra ry zalahy. Mbola mpianatra kilasy […]
Fiatrehana fifidianana : miantso fampitsaharana herisetra ny FFKM
“Mahatsapa ny FFKM fa mitombo ny fifampihantsiana. Koa manamafy ny antso efa nataony ny FFKM hitandroana hatrany ny fiadanana sy ny fandriampahalemana ary ny fihavanana ka hampitsaharana ny herisetra amin’ny endriny rehetra.” Io ny fanambaran’ny FFKM, novakin’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny famaranana ny fihaonambe voalohan’ny solontenan’ny faritra […]
Nivadika sady nirehitra : 7 namoy ny ainy, kila tao anaty fiara
Olona 7 niara-namoy ny ainy vokatry ny firehetan’ny taksiborosy mampitohy an’ Ambovombe sy Taolagnaro, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nitondra mpandeha miisa 24 ity fiara mpitatitr’olona ity. Nivarina tampoka teo amin’ny fiolanana mivoaka 1 km ny fokontany Bevilany mihazo an’Ambovombe Androy izy ireo. Samy nanavotra ny ainy, araka izany, ireo mpandeha. […]