Tapitra ny 7 septambra teo, ny dia manokana nokarakarain’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONTM) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), ho an’ny zotra mivantana Antananarivo-Dubai, an’ny kaompania Emirates. Nitety ireo toerana mahaliana amin’ny fizahantany eto Madagasikara ny olo-malaza samihafa sy ny mpanao gazety vahiny iraisam-pirenena. Anisan’izany, i Sam Chui, fanta-daza […]
Toe-karena
Fanjifana: tafakatra 3 500 Ar ny kilaon’ ny vary makalioka
Tsy mitsaha-misondrotra ny vidim-bary avy eto an-toerana. Nidina kosa ny vidin’ny legioma, toy ny tongolobe, ohatra. Manomboka ny fotoan’ny maitsoahitra. Anisan’ny ahitana taratra izany ny fisondrotan’ny vidim-bary. Tafakatra hatramin’ny 3 500 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena (Manalalondo, Mangamila) sy ny makalioka, izany hoe, 1 000 Ar ny kapoaka. Efa […]
VAOVAO TAMBATRA
Manana harena an-kibon’ny tany maro sy azo trandrahina ary ahafahana mampiasa vola i Madagasikara. Mikendry ny ho tonga mpisehatra lehibe amin’ny indostrian’ny harena an-kibon’ny tany eto Afrika ny Nosy malagasy. Betsaka ny fanavaozana natao eo amin’ny lafiny fitrandrahana sy fankatoavana fehezan-dalàna vaovao momba izany, izay manoritra lalam-baovao ho an’ny indostria […]
Fifanakalozana ara-barotra : hapetraka ny paidaky hidirana ao anatin’ny Zlecaf
« An-dalana ny famolavolana ny paikady hidiran’i Madagasikara amin’ny fahombiazana kokoa, amin’ny tsena malalaka anatin’ny kaontinanta afrikanina », hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Rasamoely Vahinisoa, ny zoma teo, nandritra ny atrikasa natao teny Akorondrano. Nanazava ireo dingana natao hamolavolana ny paikadim-pirenena momba ny faritra malalaka […]
Jirama Mahajanga: nitondrana vahaolana amin’ny jiro sy rano
Anisan’ny iharan’ny fahatapahan-jiro sy ny tsy fahampian-drano ny tanànan’i Mahajanga. Nahatonga ny fidinan’ny tale jeneraly (DG) ny Jirama, Ron Weiss, tany an-toerana, ny volana aogositra teo izany. Ho fanatanterahana ny tetikasa hanatsarana ny famatsiana herinaratra sy rano any an-toerana. Tontosa ny ampahany amin’izany, ny fampiakarana ny tanjaky ny herinaratra 5KV […]