Toe-karena

Sendikà Sempifafi : Hiara-kiasa ny mpiasa sy ny minisitera

Noraisin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, ny Sendikan’ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Sempfafi, ny 26 marsa teo. Naneho fisaorana sy firariantsoa ary fiarahabana ny minisitra izy ireo. Voaresaka fa hamafisina ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fifanajana sy ny firindrana eo amin’ny mpiasa sy […]

Tontolo iainana : Fanarenana ny endri-tany sy ny ala

Misy ny fitaovana niomerika manokana ampiasain’ny Rafitra fanaraha-maso sy fanangonana ny antontanisa, mahakasika ireo zava-bita sy ny vokatra, eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny ahafahana mikirakira ny angom-baovao entina hanarenana ny endri-tany sy ny ala eto amintsika. Kendrena hatrany amin’ny 4 tapitrisa ha ny […]

Noho ny ady any Iran: Mety hisondrotra ny vidin-tsolika amin’ny avrily

Miova isam-bolana ny vidin-tsolika eto amintsika, manaraka ny tsena iraisam-pirenena. Azo heverina fa tsy maintsy hisondro-bidy izany amin’ny volana avrily, noho ny fidangany vokatry ny ady mbola mitohy any Iran. Tafakatra 110 dolara ny vidin’ny iray barila (1b=159 litatra) amin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena « Brent », ny 26 marsa teo. […]

VAOVAO TAMBATRA

Hitohy ny talata 31 marsa, eny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Maha­masina, ny dinika fakan-kevitra ataon’ny Banky foiben’i Mada­gasikara mahakasika ny hoavin’ny vola malagasy. Mi­antso ny rehetra hamonjy ny fihaonana ny BFM handraisana ny hevitry ny maro hanatsarana sy hampivoarana ny Ariary, ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitentina […]

Tetikasa « Vehivavy Mijoro »: Seha-pihariana karazany telo hahavelon-tena

Nampahafantarin’ny Sipem banky, ny 26 marsa teo, ny tetikasa « Vehivavy mijoro », hanohanana ny vehivavy marefo. Tanjona ny ha­hafahan’izy ireo miarina amin’ ny fiainana sy hahaleo tena ara-pihariana. Miisa 15 ireo vehivavy nosafidina amin’ity andiany voalohany ity. Seha-pihariana telo nosafidiana hampiofanana azy ireo, ny zaitra (Eccova), ny taovolo (Ipac), ny nahandro […]