Toe-karena

Brio Connect : Tanora malagasy, ivon’ny fanavaozana ny toekarena

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, ny 12 sy 13 febroary teon ny Brio Connect. Mpitan­tana sy tompona orinasa ary mpampiasa vola maherin’ny 100 avy eto an-toerana sy any ivelany no nihaona, nifanakalo hevitra, momba ny fandraharahana, ny haino aman-jery ary ny fiaraha-miasa ara-toekarena. Natsangan’ny Brio Mada­gascar, iarahana amin’ny Yas Madagascar, […]

Fitrandrahana solika : Hametraka ny mangarahara ny Omnis

Anisan’ireo efa miroso any amin’ny fanavaozana ny eo anivon’ny « Office des mines nationales et des industries strategiques- Omnis », amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny tale jeneraly, ny Jly Andriantaolo Tsilavonjato Honoré, tetsy Mangasoavina, fa hametraka ny mangarahara amin’ny alalan’ny fitantanana ny fitrandrahana manara-dalàna izy ireo. « Antsika ny harena. Misokatra amin’ny manampahaizana sy […]

Famokarana: Ilaina ny politikan’ny hetra manome vahana ny fambolena indostrialy

Tsy afa-misaraka amin’ny fampiroboroboana ny indostria vaventy manodina ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ny famoronana asa sy ny fifampindanjana ara-barotra. Manome lanja maharitra sy antoka ny famatsiana ny tsena ny vokatra avy any amin’ny tantsaha. Raha ny fanadihadian’ny mpahay toekarena, maro ny sakana sy olana sedrain’ny indostria malagasy […]

VAOVAO TAMBATRA

Nijery ifotony ny fahavoazana nihatra tamin’ny voly sy ny fiompiana ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Alaotra Mangoro. Nanotrona azy ireo ihany koa ny avy ao amin’ny Tetikasa RizPlus, anisan’ny miasa any an-toerana. Anisan’ny tena nojerena ny mahakasika ny fiantraikan’ny rivodoza Gezani, indrindra ny vary, hamantarana […]

Stanford Seed Transformation Program: Hampivelatra ny orinasa malagasy maneran-tany

Vonona hanohana ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ny  Oniversiten’i Stan­ford, any Etazonia, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Stanford Seed Transformation Program (STP). « Tanjona ny hanampiana ny orinasa eto an-toerana amin’ny alalan’ny fiofanana hahafahany manitatra ny sehatrasany sy mampivelatra ny fandrahaharany », hoy ny solontenan’ny STP, Davis Albohm, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa tetsy amin’ny […]