Toy ny isam-bolana, niova ny vidin-tsolika nanomboka omaly. Nitombo 190 Ar isaky ny litatra ny gazoala (GO) sy ny solitany fandrehitra (PL), raha nihena ny tamin’ny volana janoary. Lasa 4 860 Ar/l raha 4 670 Ar teo aloha ny vidin’ny gazoala. Nisondrotra ho 3 710 Ar/l ny vidin’ny solitany fandrehitra, raha 3 520 Ar/l […]
Toe-karena
Famatsiana vary : Ahina ny fahatapahan’ny fanampiana
Mety hampiato ny famatsiam-bary ho an’i Madagasikara ny FAO sy Pam noho ny tsy fahampian’ny famokarana eto amintsika. Tokony hifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampamokarana izany. Mety ho tapaka ny famatsiana ara-tsakafo ataon’ny FAO sy ny Pam ho an’i Madagasikara amin’ity taona ity, raha ny nambaran’ny […]
Toekarena malagasy : Dinika fanaingana ho fitadiavam-bahaolana
Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Pact (Port academy center Toamasina), Ambodimanga-Toamasina, ny atrikasa fakan-kevitra ho fitadiavam-bahaolana momba ny toekarena malagasy, ny zoma 29 janoary lasa teo. Nitarika izany ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina. Nandraisan’ireo sampandraharaham-panjakana mandrafitra ny faritra Atsinanana, ireo mpandraharaha, mpitantana […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny tetezana Andriambavirano, amin’ny lalam-pirenena faha-4, PK 502. Mahazaka lanja 44 taonina ity tetezana ity, araka ny fenitra eto amintsika sy toy ny amin’ny lalam-pirenena rehetra. Natao ny 4 febroary teo ny andrana teknika, manome antoka ny filaminana sy ny fahamarinan-toeran’ny fifamoivoizana ho an’ny mpampiasa lalana rehetra. Hentitra ny […]
Ravinala Airports: Nafindra ny tanànan’i Pont Valiha
Tafiditra tao anatin’ny faritry ny seranam-piaramanidina, any Fascène, Nosy Be, ny tanànan’i Pont Valiha. Voatery tsy maintsy nafindra toerana ity tanàna ity, araka ny fifanarahana famindram-pitantanana teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Ravinala Airports, araka ny fenitry ny Orinasa ara-bola iraisam-pirenena (SFI). Nanomboka tamin’ny taona 2020 ny famindrana ireo […]




