Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Natsahatra vonjimaika ny asan’ilay orinasa mpitrandraka vato fanorenana trano eny Ambohima­laza. Voamarina nandritra ny fanadihadiana sy fidinana ifotony notanterahin’ny One sy ny Medd ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny fa mivarina mivantana any an-drenirano ka mandoto ny rano manodidina ny rano avoakan’ity orinasa ity. Nodidina hanamboatra ny fotodrafitrasa misy fahasimbana ny orinasa […]

Fikambanan’ny Orinasa Malagasy : Hanatsara ny anjara toeran’ny mpikambana

Nanatanteraka fivoriam-be fanao isan-taona, tetsy An­tsahavola ny fikambanan’ny orinasa malagasy (FOM), ny alakamisy 19 marsa 2026 lasa teo. Tonga maro nanatrika izany ny orinasa mpikambana sy mpiara-miombon’antoka maro. Dingana lehibe ataon’ izy ireo amin’ity taona ity ny hanamafisana ny anjara toeran’ireo orinasa madinika sy salantsalany (TPE sy PME) eo amin’ny […]

Fanitarana ny seranan-tsambo : Notokana ny ampahan’asa vita ao Toamasina

Notanterahina afakomaly ny fitokanana ny ampahan’asa vita, tamin’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nitarika izany tany an-toerana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël. Ho fanohizana ny raharaham-panjakana, notokanana afakomaly, tao Toamasina ny toeram-pian­tsonana vaovao ho an’ny sambo lehibe. Mahatratra 333 metatra amin’ny 470 metatra, tokony ho halavan’ny […]

GEM: Voafidy fanindroany Rabarijohn Francis

Voafidy indray ho filohan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem) Rabarijohn Francis taorian’ny fivoriambe natao ny 19 marsa lasa teo. Manohy hatrany ny fanatsarana efa natomboka ny sehatra tsy miankina, sady mampiseho finiavana hitazona ny fitoniana eo amin’ny tontolon’ny toekarena malagasy. Manamafy ny filohan’ny Gem izay hitantana indray mandritra ny […]