Toe-karena

Korontana tao amin’ny Orange Madagascar : Tafaverina ny ankamaroan’ny tolotra

Tafaverina amin’ny laoniny ny ankamaroan’ny tolotra omen’ny Orange Madagascar taorian’ny korontana tamin’ny tambajotra nanomboka ny 13 febroary teo, araka ny fampahafantarana nataony. Noha­zavainy fa avy amina toerana teknika miisa roa eto Antana­narivo sy Toamasina no fototry ny olana. Vantany vao niseho ny olana dia nampandrene­sina ny ekipa teknika ka nandray […]

« Salon Voatra » : Fiaraha-miasan’i Mada­gasikara sy i Maroc

Hotanterahina ny 1 sy 17 avrily ho avy izao, eny amin’ny Novotel Alarobia, ny “Salon de la créativité Voatra” andiany faha-12. Hetsika hanandratana ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Vahiny manokana amin’ity andiany ity i Maroc, noho izy firenena matanjaka sy manana stratejia ary maodely ara-toekarena mifanaraka amin’ny filàn’i Madaga­si­kara. […]

Ady any Moyen Orient : Tafakatra 100 dolara ny iray barila amin’ny solika

Miditra amin’ny andro faha-18 ny ady ifanandrinan’i Iran amin’i Etazonia sy Israely. Miantraika mivantana any amin’ny vidin-tsolika izany ary tsy maintsy hipaka aty Madagasikara. Tsy mitsaha-midangana! Niakatra 30% ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tato anatin’ ny 18 andro nipoahan’ny ady any Moyen Orient, ifandonan’i Iran amin’i Etazonia sy Israely. […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tafahoatra ny 100 dolara, izany hoe, 103 dolara ny barila (1b=159 L), ny zoma 13 marsa teo, raha mbola 93 dolara/b, ny 12 marsa. Nanomboka ny 28 febroary, fotoana nipoahan’ny ady nanafihan’i Etazonia sy Israel an’Iran no nanomboka ny fiakaram-bidy, raha […]

Star : Zava-pisotro vaovao anaty vifotsy

Nampahafantarina ny 13 marsa teo, ny vokatra vaovao an’ny orinasa Star. Voakasik’ izany ny Fresh, ny Caprice, ny Woco ary ny XXL, izay atao anaty fonosana vifotsy (canette), 33 cl. Zava-pisotro « panaché » voalohany vokarina eto Madagasikara, ny Fresh anaty vifotsy « canette », sady mora ampiasaina. Hita bebe kokoa amin’ny lalam-barotra Modern […]