Toe-karena

Banky Sipem-Materauto : Nitarina ny fiaraha-miasa

Nanomboka tamin’ny fa­namorana ny fividianana moto marika Loncin sy Voge ny fiaraha-miasan’ny banky Sipem sy ny orinasa Materauto, natao sonia ny 31 janoary 2025. No­havaozina izany, ankehitriny, ka nitarina any amin’ny fi­vi­dianana fiara, fiarabe, fitaovana vaventy,…, fitaovana ma­mokatra angovo avy amin’ny masoandro. Tanjona ny ha­ni­tarana ny fampandrosoana ara-toekarena eto Mada­gasi­kara. […]

Fampivoarana ny tsenan’ny asa: Nisy ny dinika mahakasika ny faharanitan-tsaina artifisialy

Notanterahina teny amin’ny YMCA Ankerana ny dinika momba ny fampivoarana ny asa noho ny firoboroboan’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) amin’izao fotoana. ” Ahoana ny hanànana asa matihanina anatin’ny fivoaran’ny IA?”. Nivoitra izany nandritra ny hetsika “Carrer Talks” izay nokarakarain’ny Arisera niaraka tamin’ny YMCA Madagascar sy Peak Business Partner. Nifa­nakalo hevitra momba […]

VAOVAO TAMBATRA

Mampitandrina ireo mpandraharaha ara-barotra mba tsy ho alaim-panahy hampakatra amin’ny tsy antony ny vidin’entana eny an-tsena ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Manentana ny mpivarotra hametraka ny vidin’entana ho talaky maso, araka izany, ny tomponandraikitra mba hisorohana ny fanararaotana. Nojerena akaiky tamin’izany ny vidin’entana eny amin’ireo mpamongady sy mpaninjara samihafa. […]

Toamasina : Niravona ny disadisa tao amin’ny SMMC

Tsy nanaiky ny fanendrena ny tale jeneraly vaovao, ao amin’ny orinasa SMMC Toa­masina, Hanjatiana Cadet En­dor, nandimby an-dRan­dria­misaina Charles, ny mpiasa, teo aloha teo. Niravona izany, ankehitriny, taorian’ny fanelanelanana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena (VPan), Fidele Razara Pierre. Resy lahatra amin’ny 65% ny vahaolana noraisina ny mpiasa. Nilaza ny tale […]