Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Notazonina vonjimaika am-ponja, eny Tsia­fahy, ilay lehilahy tratra nitondra antsokosoko volamena milanja 800 grama teny amin’ny sera­nan’Ivato. Amin’ny volana marsa ny fotoam-pitsarana azy. Nanamafy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl, omaly, fa tsy mitsitsy ny fitondram-panjakana amin’ ireo mikasa ny tsy hanara-dalàna eto amin’ny firenena, ary sazy henjana […]

fiharian-karena : Sehatra azo trandrahina tsara ny niomerika

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fandaharanasa “Asan’Ai”. Kendrena ny hanofanana maimaimpoana tanora 1 300, mandritra ny 15 volana, mba hananany asa maharitra. Miisa 280 ireo tanora raisina amin’ny fampivondronana voalohany, 320 amin’ny faharoa ary 350 amin’ny fampivondronanana fahatelo sy fahefatra. Orinasa efatra dia ny Intelcia, Concentrix, Konecta, Connecteo, no handray […]

Sehatra miroborobo: Harena an-kibon’ny tany ny 49% amin’ny fanondranana any ivelany

Seha-pihariana miroborobo ny harena an-kibon’ny tany. Naverina ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka. Mbola mihantona kosa ny misehatra amin’ny volamena. Namoaka ny tatitra ho an’ ny taom-piasana 2023 ny rafitra EITI Madaga­sikara, omaly, teny amin’ny MBC Ivato. Tatitra hisian’ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Voa­laza ao ny hetra […]

VAOVAO TAMBATRA

Voatendry ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) Andriniaina Rabarisoa. Natsangana koa ny filankevi-pitantanana nohavaozina, ahitana solontenan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Andra­sana hanamafy ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola sy hisarihana azy ireo ho maro kokoa eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao, ity fanendrena ity. Nanamafy ny fanohanana […]

Airtel- ESCM : Fifehezan’ny tanora ny niomerika

Fiaraha-miasan’ny tsy mi­ankina sy ny fampianarana ambony. Miara-miombon’antoka ny orinasa Airtel Mada­ga­sikara sy ny sekoly ambony ESCM Business School. Misy efitrano natokana hianaran’ny mpianatra miisa 50 ao amin’ity toeram-pampianarana ity. Afaka mampiasa tambajotra internet maimaimpoana ao ny mpianatra, hifehezana ny se­hatry ny niomerika bebe kokoa. Horaisina hianatra asa ao amin’ny […]