Toe-karena

Fanaovan-gazety ara-tontolo iainana: miofana momba ny fifanarahana iraisam-pirenena

Mpanao gazety maherin’ny 20 no niofana fanamafisana ny fahaiza-manaony, mikasika ny tontolo iainana, omaly. Ni­karakara azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Niompana tamin’ny lohahevitra lehibe efatra ny fotoana, mahakasika ireo fifanarahana ara-tontolo iainana ataon’ny Fivoriamben’ny mpikambana (Cop) ao amin’ny Firenena mikambana. Anisan’ izany ny fifanarahan’i Rio, […]

“Fier-Mada” 25 taona nanohanana ny mpamokatra

Niara-dalàna sy nanohana ny mpamokatra malagasy hatrany ny Tsenabe iraisam-pirenena ara-toekarena eny ambanivohitra “Fier-Mada”, nandritra izay 25 taona nisiany izay. Nisongadina hatrany ny fihaon’ny mpanjifa mivantana amin’ireo mpamokatra avy eny ifotony. Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpamokatra sy ny tantsaha manerana ny Nosy ny hetsika “Fier-Mada” izay atao eny amin’ny kianja […]

FOFIFA: mikatso ny asam-pikarohana rehetra

Mijanona avokoa ny asam-pikarohana momba ny fambolena ataon’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) ao anatin’izao fitokonana izao. Misy akona betsaka amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra izay tena miankina amin’ny fikarohana atao ny zava-misy. Ankehitriny, miombom-po sy mitaky ny fametraham-pialan’ny Tale jeneraly ihany koa ireo rantsa-mangaikan’ny Fofifa any amin’ny faritra […]

Minisiteran’ny fambolena: nizara masomboly hiatrehan’ ny tantsaha ny voly avotra

Mitohy ny fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny voly avotra amin’ity taom-pambolena 2024 ity. Anisan’ny nisitraka izany ny tantsaha any Alaotra Mangoro sy Bongolava. Mitohy ny fanohanana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny tantsaha mahafeno fepetra mahaloa ny 10% ny vidin’ny kojakojam-pamokarana. Voakasik’izany ny entina hiatrehana ny voly avotra […]