Toe-karena

« Autoroute Toamasina » : mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana

Tsy re tsaika, mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Mitotaly 250 km ity lalana ity, ary efa miroso amin’ny ampahany voalohany, mirefy 80 km, ny asa. Miainga eny Talata Vo­lonondry ny arabe mi­godana hatrany Toa­masina. Manatanteraka ny asa ny orinasa egyptianina Samcrete. Orinasa iray amin’ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Milanja 3,5 kilao ny volamena naondran’i Madagasikara ara-dalàna ka mitentina 978,215 miliara Ar ny vola azo. Mbola ambany lanja io raha oharina tamin’ny vina napetraky ny filoha nandritra ny 100 andro izay 500 kilao. Mitaky ezaka goavana ny hanatrarana ny tanjona hanondranana volamena 6 taonina ho an’ity taona 2024 ity. […]

Fiainan’ny orinasa: mivoatra ny fitantanana olombelona (RH)

Miantoka ny fandrindrana ny fiainana maha olona, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ny serasera. Antony nahatonga ny Dr Fabrice Lollia, manam-pahaizana eo amin’ny serasera, ni­zara ireo torohay sy fomba ha­natsarana ny fifandraisana sy fifanakalozana anatina orinasa sy eo amin’ireo mpitantana ary mpandraharaha. «Paikady si­antifika voamarina sy ma­hom­by […]

Ambohimasina : fotodrafitrasa maro ho an’ny mponina

Misitraka fotodrafitrasa maro ny mponina any amin’ny kaominina Ambohimasina, distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Nanohana ny tetikasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny mpiara-miombon’antoka maro. Anisan’izany ny tohodrano vita « béton », afaka manondraka lemaka 80 ha, ahafahana mamboly vary sy legioma. Tohodrano vita tamin’ny tany ny teo taloha, […]