Harena ny zanaka ka mila kolokoloina ny vatana mba ho salama. Anisan’ny aretina mpahazo ny mpivady ny fahamombana noho ny antony maro eo amin’ny fomba fiaina. Tsy ny vehivavy ihany fa ny lehilahy koa dia mety ho momba. Araka ny nambaran’ny dokotera Rakotonindrina ao amin’ny Centre médical Claym etsy Alakamisy […]
Toe-karena
Raharaha fiaramanidina dimy : Teratany malagasy iray sy indiana iray karohina
Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valerie, mahakasika ilay raharaha fiaramanidina miisa 5. Nambarany fa hosoka ny antontan-taratasy miparitaka momba ireo fiaramanidina mitondra laharana « 5R » avy eto Madagasikara tonga any Iran ireo. Niainga avy any Cambodge ny hosoka ary tonga […]
VAOVAO TAMBATRA
Tonga ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro ny fandrarahana godirao ny RN-13, miainga avy any Ambovombe. Tetezam-by vitsivitsy sisa no hasiam-panamboarana ato anatin’ny 3 volana, vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny faramparan’ny volana oktobra, ka ao anatin’izany ny tetezana Ranopiso, maherin’ny 100 metatra. Manana tanjaka 1 MW ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, […]
Fambolena: Manohana ny tetikasa vary safiotra ny FAO
Nitsidika ny Foibe fitaratra mahakasika ny famokarana masomboly vary safiotra eny Andranovaky Mahitsy, ny tale jeneralin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO), ny Dr. Qu Dongyu, ny sabotsy 26 jolay teo. Nitarika azy teny an-toerana ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (SESA), Rtoa Razanamahefa Tahian’Ny Avo sy ny mpiara-miasa aminy. Nojerena manokana […]
Fizahantany: Nivoaka ny boky « +261 Expériences Madagascar »
Nampahafantarina ny 25 jolay teo ny hamoahana ny boky torolalana ho an’ny fizahantany «+261 Experiences Madagascar». Manantontosa azy ny Ofisim-pirenena ho an’ ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Mirakitra ireo toerana mahaliana sy miavaka ara-pizahantany eto amintsika ity boky ity. Nambaran’ny tale mpanatanteraka ao amin’ny ONTM, Barivelo Danny, fa tanjona ny […]




