Hamolavola tanora malagasy hahay informatika, indrindra fa amin’ny “codage” sy hitondra ny talentany any ivelany. Io no tanjona apetraky ny vondrona Axian amin’ny fanokafana ny Ecole 42 eto Antananarivo, fahefatra amin’ ny tambajotra 42 misy eto afrika. Tafiditra ao anatin’ny tambajotran-tsekoly malaza eo amin’ny informatika misy tao anatin’ny 10 taona […]
Toe-karena
Fanohanana : tantsaha maro nisitraka masomboly
Mitohy hatrany ny fanohanana ataon’ny fanjakana ny tantsaha, amin’ny alalan’ny tetikasa Purpa, hanatsarana sy hampiroboroboana ny famokarana. Nahazo ny anjarany, ny herinandro teo, ireo mpamokatra miisa 432 avy ao amin’ny kaominina Maneva, ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Nisitraka masomboly « riz irrigué » milanja 3 888 kg, zezika NPK 6 […]
Fiaraha-miasa (3P) : laharam-pahamehana ny hamaha ny olan’ny angovo
Hamaha ny olan’ny angovo eto Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay tafiditra ao anatin’ny andry telon’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Natao omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fivoriana voalohany niarahan’ny mpikamban’ny komitim-pirenena fandrindrana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (CNPPP) izay nahitana minisitra fito […]
Matsiatra Ambony : hampiroboroboana ny lalam-pihariana lohamenaka
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, izay tohanan’ny fandraharanasa CLIM-INVEST sy ny Vondrona Eoropeanina. Nisy, araka izany, ny dinika niarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina niresahana ny sehatry ny lohamenaka. Nivoitra nandritra izay ny drafitrasa […]
Fandraharahana : sakana ny fivoaran’ny toekarena sy ny olan’ny delestazy
Vato misakana ho an’ny tontolon’ny fandraharahana ny fisian’ny delestazy sy ny lafiny ara-toekaren’i Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Mahatratra 86,9% ireo orinasa nametraka ahiahy amin’ny fandrosoan’ny toekarena eto amintsika. Nilaza izy ireo fa miantraika amin’ny fihodinan’ny orinasany izany. 61,8% kosa nilaza fa sakana amin’ny fampiroboroboana ny […]