Anisan’ny akora fototra ilain’ny ozinina Malto, an’ny orinasa Star, amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera ny voan’ny zavamaniry orge. Miezaka manjifa ny vokatra eto an-toerana ny orinasa mba hitondra fampandrosoana eny ifotony. Nisafidy ny hiara-kiasa amin’ny Malagasy tantsaha maherin’ny 20 000, hamboly orge, ny ozinina Malto hatao vadim-boly sady ho fidiram-bola fanampiny, na dia […]
Toe-karena
Jono : Mikatona ny fitrandrahana drakaka
Namoaka didy ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga. Voarara ny fanjonoana, ny fananagonana, ny famatorana, ny fividianana, ny fitaterana, ny fitahirizana ary ny fanondranana any ivelany ny drakaka amin’ny endriny rehetra. Mihatra ity didy ity mandritra ny roa volana, manomboka ny 16 oktobra hatramin’ny 15 desambra 2025, […]
Famatsiana herinaratra : Ho tonga eny Ambohimanambola ireo milina
Mandeha araka ny tokony ho izy, hatreto, ny fitaterana manokana ny milina avy any Toamasina ho aty Antananarivo. Azo antoka ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny RN2. Niainga ny alakamisy maraina teo ny fiarabe mitatitra ireo milina hapetraka eny amin’ny toby Ambaohimanambola, hamokatra 105MW. Araka ny lamina napetraka, notsinjaraina […]
VAOVAO TAMBATRA
Hikatona ny 15 oktobra hatramin’ny 15 novambra ho avy izao ny fotoam-panjonoana an-dranomamy, ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Antony, fotoana ahafahan’ny trondro manatody mba hitomboany isa io vanim-potoana io. Maro ny fitaovam-pifandraisana hampandrenesana ny mpanjono sy ny besinimaro, toy ny petadrindrina eny amin’ny biraom-panjakana, ny radio ary ny fanentanana eny […]
Lalam-pirenena faha-9: Mandeha ny fanorenana ny tetezana Mangoky
Fotodrafitrasa anisan’ny goavana aorina ny tetezana Mangoky, any Bevoay, amin’ny RN9, eo amin’ny PK 199+700. Mandeha araka ny vina napetraka ny fanatanterahana ny asa, ankehitriny. Tetezana miampita ny reniranon’i Mangoky, mampifandray ny faritra Atsimo Andrefana sy ny faritra Menabe izy ity. Ankoatra ny fananganana ny tetezana, efa vita daholo ny […]





