Mpandraharaha tanora maherin’ny 600 no hahazo fiofanana amin’ny alalan’ny “masterclass” sy fianarak’asa, hanamafisana ny tetikasany. Izany no vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Maison de l’Entrepreneuriat (MDE), izay vita sonia ny alarobia teo teny Antaninarenina. Andry iankinan’ny tetikasa ny fampiofanana ireo tanora sy […]
Toe-karena
Orinasa Star : 1,5 miliara Ar isan-taona hanofanana ny mpiasa
Manome lanja ny fanofanana ny mpiasa ny orinasa Star. Mahatratra 1,5 miliara Ar isan-taona ny natokana hamolavolana ny mpiasa mivantana maherin’ny 1 700. Satria, ilaina ny fanamafisana ny traikefan’izy ireo, mba hifanaraka amin’ny filan’ny tsena sy ny kalitaon’ny asa. Manodidina ny 20 000 ora isan-taona no atokana ho an’ny fanofanana, manome salanisa […]
Unesco : Tsy tandindomin-doza intsony ny atiala Atsinanana
Nambara tamin’ny fomba ofisialy, ny 9 jolay teo, tany Paris, nandritra ny fivoriambe faha-47 ny Kaomity ny vakoka iraisam-pirenena ao amin’ny Unesco, fa nesorina tsy ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena tandindomin-doza intsony ny Ala mando Atsinanana. Miisa enina ny Valanjavaboahary mandrafitra ireo ala mando ireo, i Masoala, Marojejy, Andohaela, Zahamena, Ranomafana […]
vaovao tambatra
Tsy mahazo mihoatra ny 44 taonina ny lanja ambony indrindra azon’ny fiara mpitatitra entina amin’ny lalam-pirenena eto Madagasikara. Tsy ny fiara rehetra anefa no afaka mitondra izany, fa miankina amin’ny vavan-kodiarana (essieux). Misy ny tetezana asiana takela-by mamaritra ny lanja azo zakaina. Mila fahazoan-dalana manokana (convoi exceptionnel) ny mihoatra io […]
Rallye des Industries: Manampy ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa
Mitombo ny herijikan’ireo tanora mandray anjara amin’ ny “Rallye des Industries”. Notanterahina ny sabotsy 5 jolay, tao amin’ny auditorium Havoria Anosy, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana. Mpianatra sy orinasa miara-misalahy no nandrafitra ireo “binômes” folo nifaninana tamin’ny fahaiza-mamorona sy fahakingana mba hahazo toerana amin’ny dingana manaraka. Tanjon’ny fifaninanana ny hanampiana […]




