Tsy mety foana ny trafikana harena voajanahary mankany ivelany. Ankoatra ny volamena sy ny sokatra, misy manondrana an-tsokosoko koa ny varika. Varika, karazana sifaka, miisa efatra no tratra teny amin’ny seranam-piramanidina Ivato, ny alahady 29 jona teo. Nitondra azy ireo ny olona roa, lehilahy teratany kaomoriana mizaka zom-pirenena malagasy sy […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Mifindra ao amin’ny Terminal international (TA) taloha, ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, manomboka ny 2 jolay, ny sidina anatiny rehetra. Voakasik’izany ny sidina MD 313 avy any Antsiranana andrasana ho avy ny andron’io. Hisy ny lamina apetraka eny an-toerana hanamorana ny fivezivezena ao anatin’ny Terminal. Manodidina ny 550 ka hatramin’ny 600 […]
Toekarena manga: 640 000t isan-taona ny fako plastika anaty ranomasina
Fatiantoka ho an’ny firenena iray ny fako plastika miparitaka an-dranomasina. Mamono ny hazandrano izany sady manimba ny rohivoahary no mbola mamotika ny fiharian’ny mponina. Izany indrindra no antony hanatanterahana ny fivorian’ny « Glolitter Partneships », andiany faharoa, eto amintsika mandritra ny dimy andro, etsy Ankorondrano. Lohahevitry ny atrikasa «ny hampihenana sy hanafoanana […]
Madagascar Airlines: Mifampizara kaody amin’ny Air Austral
Vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny kaompania Madagascar Airlines sy ny Air Austral momba ny fizarana « codeshare ». Ity farany izay « accord tarifaire spécial (SPA). Tanjona ny hanatsarana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy La Réunion ary ireo firenena hafa. Noho izany, afaka mamandrika toerana amin’ny laharana MD an’i Madagascar Airlines […]
Fanarahana ny fepetran’ny FMI: nampidirina ny TVA 20% amin’ny zanabola indramina amin’ny banky
Nanapa-kevitra ny hamerina ny hetra amin’ny zanabola amin’ny vola indramina amin’ny banky ny fanjakana. Nanda kosa anefa izy ireo ny hampidiran-ketra amin’ny vary sy ny rano. Efa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola (LFI) 2025 ny famerana ny hetra amin’ny zanabola indramina eny amin’ny banky, araka ny fanapahan-kevitry ny […]




