Maro ny endrika fisolokiana azon’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny Hafatra miafina (SMS) anaty finday. Azo atao ny misoroka azy ireny, ankehitriny, ho an’ny mpampiasa ny Airtel. Araka ny fanadihadiana nataon’ny kabinetra Quartz, firenena 9 amin’ ny 20 aty Afrika no tratry ny atao hoe « spam ». Hafatra miafina SMS tsy niriana, fa […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Hojeren’ny Filoha Rajoelina Andry ny fahasimban’ny lalam-pirenena faha-7. Toraka izany koa ny fametrahana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro. Hampitomboina ny tranobe Building Mora. Havaozina ny lalamby Fianarantsoa-Manakara, nanamarihiny fa tsy azo hadinoina intsony ity lalam-pitaterana stratejika ity. Manomboka ny fanarenana ny lalana RN13, mampitohy an’Ikalamainty sy Betroka. Anisan’ny […]
Jono : Mitentina 700 miliara Ar ny vokatra naondrantsika
Sehatra mahavelona sy mampidi-bola ny fitondram-panjakana ary mampanana asa ny tanora amam-behivavy ny jono sy ny toekarena manga. Ankehitriny, manodidina ny 150 000 ny mpanjono eto Madagasikara, eo amin’ny 2 tapitrisa kosa ireo mivelona mivantana na ankolaka amin’izany. Ny taona 2024, tafakatra 700 miliara Ar ny totalim-bidin’ny vokatra naondrantsika, raha 35,300 […]
Fialantsasatra lehibe: Tafakatra 40 000 Ar ny saran-dalana mankany Toamasina
Nidina ny vidin-tsolika, fa hiakatra kosa ny saran-dalana mankany amin’ny faritra. Mifanandrify amin’ny mahabe ny mpandeha amin’izao fidirana amin’ny fialantsasatra lehibe izao izany. Hisondrotra daholo ny ankamaroan’ny saran-dalan’ny fiara mpitatitra miainga eto Antananarivo mankany amin’ny faritra. Manodidina ny 5 000 Ar hatramin’ny 10 000 Ar ny fiakarany raha oharina ny teo aloha, […]
Tsy manaiky ny sata vaovao: Mikasa hitokona ny mpiasan’ny Jirama
Nanao fivoriambe ny vondrona sendika, ny Tambaben’ny mpiasan’ny Jirama (TMJ), omaly, teny Mandroseza. Maherin’ny 3 000 ireo nanatrika ny fotoana, nifototra tamin’ny sata vaovao hifehy ny orinasa ny lahadinika. Tsy eken’ny mpiasa ny sata vaovao hamadihana ny Jirama ho lasa Orinasa tsy anavahana anarana (Société Anonyme) farany teo. Fantatra fa hiditra […]




