Anisan’ny misehatra amin’ny fanarenana ny ala honko any amin’ny faritra Diana ny orinasa Bôndy. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny mponina eny ifotony mba hisian’ny fampandrosoana. Mihazakazaka ny asa na dia vao telo taona monja aza ny nanombohan’ny orinasa any an-toerana amin’ny alalan’ny tetikasa “Ma Honkô”. Miisa dimy ny kaominina (Ambaliha, Antranokarany, […]
Toe-karena
Menaka Hina: manara-penitra ny famokarana
Mandalo « laboratoire » sy atao fitiliana isaky ny ora iray ny menaka vokarin’ny orinasa Hita. Manara-penitra ny famokarana sady mandalo fanadiovana samihafa mialoha ny hamarotana izany eny anivon’ny mpanjifa. Nidina ifotony tany Toamasina, toeram-panodidina menaka ataon’ny orinasa ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka […]
Ampela Online: tohana ho an’ny vehivavy mandraharaha
Hanova tanteraka ny fiainan’ny vehivavy ny fampiofanana momba ny niomerika omen’ny Yas Madagascar sy ny Stem For Good ary ny Maison du Numerique etsy Ankorahotra ny tetikasa Ampela Online. Tanjona ny hanomezan-danja ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina sy hanohanana ny fidiram-bolany amin’ny alalan’ny fikirakirana ny niomerika mba hampaleo tena azy. […]
Fandraharahana-EDBM: hamafisina ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra
Miantraika mivantana amin’ny fisintomana ireo mpandraharaha vahiny ampiasa vola eto Madagasikara ny fomba fiasa vaovao napetraky ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) tao anatin’ny fandaharanasa “Projet de Réformes liées au Climat des Investissements” (PRECI). Tetikasa iarahana amin’ny Unité de Gouvernance Digitale, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny […]
Orinasa Star: maherin’ny 1 500 nisitraka ny RSE
Naneho ny fiaraha-mientany amin’ny mponina any amin’ ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, ny orinasa Star. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena ny hetsika Fandraisan’andraikitra ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny fitsinjovana sy fanomezan-tanana ny vondron’ olona eny ifotony. Miisa 600 ny tokantrano notoloran’ny orinasa vokatra ilaina andavanandro (PPN), ny 23 jona teo. […]




