Nomarihin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nandritra ny fandraisana ireo fiarabe mpitatitra vaovao teny amin’ny CCI Ivato, fa handeha tsy ho ela ihany koa ny fitaterana zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe (train urbain) sy ny fitaterana an-tariby teleferika. Ny mampiavaka ny teleferika, hisy olona 500 tsy maintsy hofanina hiasa. Hatao mahaleo tena ny […]
Toe-karena
Fanatsarana ny fitaterana: hiara-hiasa i Madagasikara sy i Egypte
Liana hampiasa vola amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara i Egypte. Hojerena manokana ireo soa fanararaotra hanatsarana ny fandraharahana sy ny tombontsoa ara-toekaren’ny firenena roa tonta. Vonona hiara-miasa sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fananganana fotodrafitrasam-pitaterana ny Repoblika Arabo Egyptianina. Nivoitra izany nandritra « Business forum », fihaonan’ireo mpandraharaha egyptianina tamin’ireo solontenan’ny governemanta tetsy […]
Orange Madagascar: nizara mari-pankasitrahana miisa 143
Tontosa ny alatsinainy teo, teny Ivato, ny lanonam-pizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa miisa 145 avy amin’ny Orange Madagasikara. Fotoana nanehoan’ny orinasa fa vonona hanohana ireo mpiara-miasany hatrany izy ho an’ny fampandrosoana ireo tetikasa manaraka. « Mandray anjara sahady amin’ny fampandrosoana ny firenena izao fanoloran-tenanareo amin’ny sehatry ny niomerika izao. Mpanorina ianareo […]
Alpha Ciment 75 taona niforonana ho an’ny famokarana malagasy
Hany orinasa tokana, mamokatra simenitra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, ny Alpha Ciment ao Ibity Vakinankaratra. Feno 75 taona ankehitriny ny orinasa. Notsiahivin’i Vincent Blanchet, tale jeneraly, nandritra ny fitsidihana nataon’ny mpanao gazety, tany an-toerana, ny herinandro lasa teo, fa ny taona 1950 no niforonany. Nisahana famoronana fitaovana toy […]
Fampandrosoana ny toekarena: mila arindra ny trosam-panjakana
Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny fahaiza-mitantana ny trosam-panjakana. Tao anatin’ny 10 taona, mijanona amin’ny antonony ny trosan’i Madagasikara. Tanterahina eto Madagasikara, mandritra ny telo andro, ny 24 ka hatramin’ny 26 jona, ny «Forum d’été du club des dirigeants de banques et établissement financiers d’Afrique» handinihina ny toekarena. Lohahevitra tamin’ity […]




