Nosantarina teny amin’ny CCI Ivato, omaly, ireo fiarabe mpitatitra marika Foton miisa 42. Ampahany voalohany ireo, fa hisy 270 hafa ho avy. Hitaterana maimaimpoana ny olona hijery afomanga, anio 25 jona, eny amin’ny toeram-pialamboly vaovao, Lac Iarivo, ireo fiarabe mpitatitra vaovao, marika Foton avy any Sina. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana […]
Toe-karena
Banky iraisam-pirenena: “Ilaina ny antoka ho an’ny mpampiasa vola”
Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck. Voaresaka ny momba ny fampiasam-bola. Navoitran’ity iraky ny mpamatsy vola ity ny anjara toerana lehibe sahanin’ny minisiteran’ny Fitsarana eo amin’ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena. “Tsy misy antoka ho an’ ny mpampiasa vola amin’ny […]
Tetikasa Ambatovy: nanolotra fitaovana ho an’ny BNGRC
Nanolotra fitaovana sy kojakoja samihafa ho an’ny Biraom-paritry ny loza voanajahary (BNGRC) Atsinanana, ny orinasa Ambatovy, ny 17 jona teo. Nanao sonia ny fifanarahana ny Tale jeneraly (DG) ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, sy ny talen’ny maha olona Ambatovy, Lasmaydah Sirega. Nanotrona koa ireo olo-manankaja maro, notarihin’ny préfet […]
Fiarovana ny tontolo iainana: fomba ahafahan’ny orinasa mifaninana ny RSE
Efa tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny fampandraisana andraikitra ny orinasa tsy miankina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Natao ny 19 jona teo, tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano, ny hetsika Andraikitry ny orinasa ara-tsosialy (RSE) sady Paikady hisian’ny fampandrosoana maharitra (IDD), […]
Kaominina Arivonimamo II: nizara karatany 25 493 ny minisitera MFFT
Notanterahina omaly, teny amin’ny kaominina Arivonimamo II, ny fizarana karatany miisa 25 493. Ity tanàna ity izay anisan’ireo kaominina 26 misitraka ny tetikasa Tafita. Ny hetsika tahaka izao dia eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFTT), izay tarihin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Tafiditra amin’ny fandaharanasa « Afafi Centre », […]




