Toe-karena

Televiziona: ampiasaina ny angovo avy amin’ny masoandro

Miditra dingana vaovao ny orinasa StarTimes, mampiasa ny teknolojia niomerika, ahazoan’ny mpanjifa ny fandaharana televiziona avoakany. Ampiarahana ny fisitrahana ny niomerika, ny angovo azo havaozina ho an’ny rehetra. Amin’ny alalan’ny sampana orinasa StarTimes Solar, izay mpanohana ofisialy ny Fifa amin’ny fandefasana ny lalao Tompondaka maneran-tany ho an’ny klioba 2025 no […]

Ravinala Airports: loka iraisam-pirenena (ACA) fampihenana ny Karbôna

Nahazo ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena Airport Carbon Accréditation (ACA) sokajy 3, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be avy amin’ny Airport Council International (ACI). Tanteraka izany vokatry ny ezak’ity orinasa ity, nampihena ny fanapariahana ny entona karbona CO2 amin’ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina roa amin’ny fomba maharitra. Efa vitan’ny Ravinala Airports ny […]

Fifandraisan-davitra satelita: tafakatra 2 tapitrisa Ar ny famandrihana

Midangana ny saran’ny famandrihana apetraky ny orinasa fifandraisan-davitra avy amin’ny zanabolana iray. Fanapahan-kevitra, heverin’ny mpanjifa ho tsy fitsinjovana azy ireo. Maro ny mpanjifa nitaraina, hita anaty tambajotra sosialy, mahakasika ny fiovana tampoka ataon’ny orinasa iray manana tolotra internety amin’ny alalan’ny satelita. Mandray fanapahan-kevitra samirery, mampiakatra ny saran’ny tolotra, tsy misy […]

Toekarena mihodina: Fanodinana ny fako plastika ho lasa vokatra vaovao

Hatao kaominina filamatra ny eny Tanjombato amin’ny fa­nodinana ny fako plastika ho lasa vokatra vaovao indray. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny kaominina, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ary ny orinasa Société de fabrication de l’Océan Indien (SFOI). Mifan­to­ka amin’ny fanangonana ny fako plastika ao […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisy toby fitahirizan-drano hatsangana avy amin’ny reniranon’Ikopa sy ivontoerana fanadiovana ary famokarana rano eny Amoronankona. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Jirama Water III”, famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) sy ny fanjakana malagasy. Mandroso ny fanitarana ho lalana efatra (4 voies) ny eo amin’ny fihodinana Tsarasaotra hatreny Ivato, […]