Feno 25 taona ny Biraon’ny kadasitry ny harena an-kibon’ ny tany eto Madagasikara (BCMM). Natao nandritra ny roa andro, ny 19 sy 20 jona teo, ny fankalazana, teny amin’ny Ivonterana Mining Business Center (MBC) Ivato. Nambaran’ ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Olivier Herindrainy, fa « anisan’ny zava-baovao ny fampiasana […]
Toe-karena
Rallye des Industries: Tanora miantsehatra hampandroso ny indostria
Hanandratra ny fahaiza-manaon’ny tanora sy hampahafantatra ny vokatry ny indostria malagasy ny « Rallye des industries ». Kendrena ny hampivelatra ny traikefa sy hamolavolana toe-tsaina tia mandraharaha hanatsarana ny famokarana sy ny orinasa, indrindra hitiavan’ny daholobe ny vokatry ny indostria malagasy. Nanomboka amin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Auditorium Havoaria Anosy, ny […]
Tetikasa Tafa: Tosika ho an’ny fampananasa ny tanora
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ny toekarena ny fisian’ny asa ho an’ny tanora. Antony nametrahana ny tetikasa “Tafa” hiaraha-mientan’ny andrimpanjakana sy ny orinasa ananan’ny tanora hoavy mamiratra. Hampifandray ny mpianatra, ny tanora ary ireo manana fahasembanana amin’ireo orinasa samihafa ny tetikasa hisitrahan’izy ireo asa ara-dalàna. Singanina manokana ny […]
Tetikasa Mionjo : Manolotra fiara 4X4 ho an’ny MPEB
Paikady ahafahana manatanteraka ny fidinana ifotony sy hanaraha-maso ny jono sy ny toekarena manga ny fampitaovana ny minisitera hanatsarana ny fomba fiasa. Nisitraka fiara tsy mataho-dalana vaovao miisa roa avy amin’ny tetikasa Mionjo, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. […]
Tetikasa Ma-Honko : Arenina ny ala honko any Sofia sy Diana
Miantraika amin’ny rohivoahary, ahitana ny karazan-javamananaina, ny faharinganan’ny ala honko. Anisan’izany ny fambolena sy ny jono ka efa tonga saina ny mponina. Mampahatsiahy ny olom-pirenena rehetra ny Printsy Tsiarasoa IV, Ampanjaka Sakalava, ao Sambirano Bemazava, any Ambanja. « Nahafahana niaro ny ala an-tanety sy ny ala honko ny Fady, mialoha ny […]




