Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Harenina ny Lakadranon’i Pangalana, haverina ny fifamoivoizana an-dranomamy, hampiroboroboana ny fizahantany. Haverina ny fifamoivoizana ana habakabaka isam-paritra mampifandray ny toerana misy fizahantany. Tohizana ny fametrahana ny Ofisim-paritry ny fizahantany. Anisan’ny paikady apetraky ny minisiteran’ny Fiza­han­tany sy ny asa tanana ireo. Mamotika ny fihariana sy ireo mivelona amin’ny fanaovana sakafo ny […]

Base Toliara: Mitohy ny fanazavana ny tetikasa

Notohizan’ny tomponandraikitry ny Base Toliara ny fa­nazavana sy ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny tetikasa, tany amin’ny fokontany enina (Ankilimalinike, Tsianisi­ha, Antapoake, Ranobe, Tsia­fanoky, Beravy Ambony), ao anatin’ny kaominina Ankilima­linike sy Tsianisiha. nohazavain-dResambany André, tale lefitry ny fifandraisana Base Toliara, ny lafiny ara-teknika, ny ambanin’ny tany, ny ara-tontolo iainana, sosialy sy toekarena, […]

Foire Internationale de l’Agriculture (FIA): Hanandratra avo ny famokarana sy ny sakafo malagasy

Hampiroborobo ny famokarana maharitra sy ny tolotra ary ny fahaiza-manaony mahakasika ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ny FIA. Jerena manokana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha ara-tsakafo mirona mankany amin’ny fampandrosoana ny vokatra malagasy. Hotanterahina ny 4 ka hatramin’ny 7 septambra, eny amin’ny CCI Ivato, ny « Foire internationale de l’agriculture » […]

VAOVAO TAMBATRA

Notolorana mariboninahitra Commandeur de l’ordre national, ny Pr. Lily-Arison René de Roland, omaly. Natao izany noho ny nahazoany ny loka iraisam-pirenena Indianapolis 2025, vokatry ny fikarohana sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Nisolo tena ny filoham-pirenena sy ny governemanta nanolotra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana […]