Vita sonia ny 25 mey teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), notarihin-dRazanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny orinasa israelianina LR Group, nosoloin’i Ami Lustig tena. Hapetraka ny ivontoeram-pambolena « Agropole », mirefy 5 000 ha, hambolena vary, sy 5 000 ha hafa hamokarana katsaka. Teknolojia mahaleo tena hiaka farany no […]
Toe-karena
E-Ariary: Vola malagasy niomerika amin’ny endriny vaovao
Hanamora ny fampiasam-bola niomerika, natao ho an’ny rehetra ary amin’ny sandany mora kokoa ny fanavaozana entin’ny Banky foiben’i Madagasikara momba ny rafitra ara-bola. Vahaolana amin’ ny filana andavanandron’ ny mponina izy io ary mampihena ny fikirakirana vola. Nosokafan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Lapan’ ny tanànan’Antananarivo, […]
VAOVAO TAMBATRA
Hamokatra rano 4 800m3 fanampiny isan’andro ny “groupe de secours” hapetraka ao Nosy Be. Tanjona ny hamenoana ny tsy fahampiana 1 600m3 isan’andro ao an-toerana. Himasoana ihany koa ny fanoloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Havaozina ny rafitry ny famatsian-drano hanatsarana ny famokarana ao amin’ity nosy manitra ity. Tanterahana […]
DG Zafivanona Lainkana : Fitaovana mahomby ny « Intelligence Artificielle »
Natao ny 12 sy ny 13 mey teo ny fihaonambe iraisam-pirenena, «Forum Innovate the Future 2025». Notontosaina tany Dubai, Emirats Arabe Unis (EAU) nokarakarain’ny orinasa Webb Fontaine, miompana tamin’ny fikarohana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena. Fotoana nihaonan’ny mpanapa-kevitra amin’ny ladoany sy ny seranan-tsambo aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ny lanjan’ny teknolojia […]
Nosy Be : Vita ny lalana mankany Andilana
Manodidina ny 80 km ny lalana narenina vita ao an-tampon-tanànan’i Nosy Be. Tao anatin’ny dingana voalohany ny eo Fascene mankany Andilana, mirefy 30km. Faharoa, eo Hell ville mankany Andilana, mirefy 39km. Manampy ireo, efa mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6 mampitohy Ambanja sy Antsohihy. Njaka A.




