Toe-karena

Minisitra Fomendraza Haingo Elisette: naneho firaisankina tetsy amin’ny HJRA

Nitsidika sy namangy ilay tovovavikely vao 5 taona monja naolan’ny zokiny ka manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity. Marary sy mijaly izy, simba ny hoaviny, mampalahelo satria zokiny lahy 21 taona no nanao izany. Rehefa naheno izany ny […]

Fametahana lalana rarivato Hanofana tanora 800 ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa

Miteraka rohim-pihariana ny famakiana vato ka ho lasa asa fiveloman’ny tanora vita fiofanana omen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hisitraka fiofanana avokoa ny faritra rehetra hitondra fampandrosoana amin’ny fanatsarana ny lalana ho lasa rarivato (pavé).       Manana toerana ahitana vato betsaka i Madagasikara. Azo havadika ho rarivato, hanamboaran-dalana izany ka […]

Fandaharanasan’ny indostria: naneho ny fahavononana ny SIM

Hiara-hisalahy hanatanteraka ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny indostria. Vonona hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM). Nifanaiky tamin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny […]

Fifandraisan-davitra : tafakatra 151 tapitrisa ny mpanjifan’ny Airtel Afrika

Nahatratra 100 tapitrisa dolara ny renivola novidian’ny vondrona orinasa fifandraisan-davitra Airtel Afrika. Nitombo ny isan’ny mpanjifa, sady nahomby ny fifanakalozam-bola. Nitombo 9,1% ! Tafakatra 151, 2 tapitrisa ny isan’ny mpanjifan’ny vondrona Airtel Afrika tamin’ny taom-piasana 2023. Naha­tratra 62,7 tapitrisa ny mpanjifa mampiasa ny tolotra, raha 37,5 tapitrisa ny mampiasa ny fifanakalozam-bola. […]

mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny minisitera: hiara-hientana amin’ny fitsirihana vidin’entana

Mitohy ary hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena. Ho hamafisina ny fidinana ifotony manerana ny tsena ka handraisana fepetra ireo minia mandika lalàna. Noho izany, hiara-hientana amin’ny fanabeazana ny mpanjifa sy amin’ny fitsirihana eny an-tsena ny fikambanana mpiaro ny zon’ny […]