Manomboka anio ka haharitra telo andro ny fihaonamben’ireo filoham-panjakana aty Afrika momba ny angovo. Hetsika tanterahana ao Dar Es Salaam, Tanzanie izay handraisan’ny filoham-pirenena malagasy anjara. Anisan’ireo lohahevitra resahana, mandritra ity « Sommet de l’énergie Mission 300 » ity, ho an’ny anio ny fanandratana avo ny tontolon’ny angovo aty Afrika sy ny […]
Toe-karena
Fihenam-bidy : Manomboka hita eny an-tsena ny vary 750 Ar ny kapoaka
Tapa-bolana taorian’ny ny toromarika napetraky ny filoham-pirenena hampidinana ny vidim-bary dia nahitam-bokany ny paikady nandrafetana ny asa. Ankehitriny, azo jifaina 750Ar ny kapoakan’ny vary nafarana. Manomboka hita eny an-tsena ireo vary amin’ny vidiana 750 Ar ny kapoaka. Miainga any amin’ny mpamongady ny fihenam-bidy ka tafavoakan’ny mpaninjara amin’ny vidin’ny 750Ar izany, […]
VAOVAO TAMBATRA
Hananganana toby fivarotan-tsolika ny distrika miisa 38 tsy mbola manana eto amintsika. Hotaterina amin’ny sambo ihany koa ny solika mankany Mahajanga sy Toliara. Nodinihina ny fifanarahana eo amin’ny Jirama sy ny mpamatsy solika amin’ny lafiny famatsiana ny milina. Fomba ahavitan-tena ara-bary ny fanapariahana ny fitaovana mekanika. Hamoraina ny fahazoana masomboly […]
Haban-tseranana : Paikady vaovao ho an’ny 5 taona manaraka
Nankalazaina, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ladoany (JID). Fotoana nanararaotan’ny tale jeneraly, Lainkana Zafivanona Ernest ihany koa, nanazavany ny paikady vaovao hatao ato anatin’ny 5 taona manaraka (2024-2029) miisa 12. Hatao rafi-panjakana lohalaharana ny haban-tseranana. Hampiasaina ny teknolojia niomerika amin’ny fanaraha-maso ny entana, ka ialana tsikelikely ny fampiasana taratasy. […]
Findramam-bola : Maro ny misedra olana
Nitatitra ny olana sedrainy mahakasika ny findramam-bola ny renim-pianakaviana vitsivitsy. Nilaza ny iray tamin’izy ireo fa « nindram-bola tany amin’ny sampandrahara ara-bola madinika na mikraofinansa. Herintaona ny fe-potoana nangatahako hanonerana ny vola. Efa nanangana trano aho ary andalam-pahavitana, saingy tsy ampy kely ka nahatonga ahy nindram-bola. Taty aoriana, niova hevitra ilay […]




