Hampifandray ny tanora sy ny orinasa mpanodim-bokatra ary ireo mpiantsehatra ao anatin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny « Foire internationale de l’agriculture ». Miandrandra fifanaraham-piaraha-miasa ireo mpandray anjara rehetra. Hetsika anisan’ny andrasan’ny maro ny « Foire internationale de l’agriculture » (FIA), noho izy manokatra varavarana samihafa fa indrindra ny fampananan’asa […]
Toe-karena
Fizahantany: ivon’ny fampandrosoana ny toekarena manga
Seha-pihariana mifandray sy mifanampy amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasiakara ny fizahantany sy ny toekarena manga. Miteraka asa, mampidi-bola ary mampahafantatra kolontsaina sy asa tanana maro eo anivon’ny fiarahamonina mipetraka amorontsiraka ny fizahantany. Araka izany, nanamafy ny fiaraha-miasany ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, omaly. Nisy […]
Arolozan’ny fifamoivoizana: voarara ny mampiasa jiro mahajambena
Mandrara ny fampiasana jiro tsy ara-dalàna amin’ny fiarakodia sy amin’ny fiara kodiaran-droa na telo misy maotera na tsia ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Misy ny naoty nivoaka mandrara ny fampiasana jiro mahajambena sy rendrarendra amin’ny fiarakodia manerana ny Nosy mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Misy, hoy izy, ny […]
Fifanakalozana: tsy mitsahatra mitotongana ny sandan’ny Ariary
Faritan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ny politikan’ny fifanakalozana eto an-toerana, ka ny tsena no maneho izany. Izany hoe, ny tolotra sy ny tinady no mamaritra ny sandan’ny vola Ariary raha ampitahana amin’ny vola vahiny. Nisongadina tato ho ato ny fitotongan’ny vola Ariary noho ny tsy fisian’ny tsena fifanakalozana, indrindra zara […]
« Foire Analamanga »: hanome sehatra ny fambolena sy fiompiana
Hatao ny 15 ka hatramin’ny 17 septambra izao eny amin’ny kianja Barea ny hetsika “Foire Analamanga”, andiany voalohany. Hisongadina mandritra ireo fotoana ireo ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Betsaka ny tanora mandraharaha amin’io tontolo io. Tanjona, araka izany, ny hampiakatra avo ity seha-pihariana ity. Fanamby […]